Talata 6 Janoary 2026
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Ity alimanaka ity dia hafatra misesisesy nosoratana kristiana. Inona moa no antsoinay hoe „kristiana” ?
Ny hoe kristiana dia ny mino ny fitiavan’Andriamanitra, Izay nanome ny Zanany, Jesosy Kristy, sady mino ny fitiavan’i Jesosy, Izay nanolotra ny tenany ho sorona, mba hahazoany ho antsika ny famelana ireo fahadisoantsika sy hanomezany antsika ny fiainana mandrakizay. Manjary Mpamonjy sy Tompontsika Jesosy.
Fa nahoana àry no nosoratana ireo andalan-tsoratra ireo ? Voalohany, tianay ny hizara ny Vaovao mahafaly, dia ny Filazantsara. Ny andinin-tSoratra Masina androany no fanambarana fototra mamaritra ny atao hoe Filazantsara : tia antsika Andriamanitra, nanome ny Zanany Lahitokana Izy, mba tsy hitoetra lavitra Azy mandrakizay izay olona mino Azy, fa mba ho velona aina mandrakizay. Anio àry, sambany angamba, dia taomin’ny fitiavan’Andriamanitra ianao handray izao fanomezana mahatalanjona izao : ny famelana ireo fahotanao, ny fahasambarana hoavy sy ho mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra ; nefa ihany koa, dieny ankehitriny, fiainana voaova noho ny fisian’i Jesosy eo anilanao isanandro.
Ary raha efa mpino ianao ? Manantena izahay fa ireto takila ireto, miorina amina andalan-tsoratra ao amin’ny Baiboly, dia ho afaka hampahery anao sy hampitombo anao eo amin’ny fiainam-pinoanao.
Mirary anareo rehetra hahafantatra tsara kokoa an’Andriamanitra izahay. Vakio ny Baiboly. Izany no fanapahan-kevitra tsara indrindra afaka raisintsika, amin’izao fiandohan’ny taona izao !