Alatsinainy 5 Janoary 2026

Andriamanitra dia fitiavana. 1 Jaona 4:8

Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe : … Avia hanaraka Ahy. Marka 10:21

 

Fitiavana tsy misy fepetra sy tsy voafetran’ny fotoana

Aza tsy miraharaha

Tia ahy Andriamanitra. Tsy maninona na tsapako izany na tsia, fa hoy Andriamanitra amiko : „Tiako ianao !” Fanomezana tsara toa inona moa izany !

Rehefa tsy hanana na inona na inona intsony aho, dia mbola hanana an’Andriamanitra, Izay tia ahy. Tia ahy araka izao maha izaho ahy izao Izy. Izy, Izay mahita ny zavatra rehetra, dia mahafantatra tsara hoe aiza ho aiza aho izao. Angamba aho lavitra dia lavitra Azy, angamba maratra, torotoron’ny fiainana… Hoy Izy amiko : „Avia, jereo ny tanako voaloaka, nijaly ho anao Aho satria nitia anao”. Eny, nanolotra ny ainy ho antsika tsirairay Jesosy. Ny zavatra tokana tsy maintsy ataoko dia ny mino izany. Tsy afaka ny tsy hiraharaha isika, manoloana porofom-pitiavana toy izany.

Matetika ny Baiboly dia miresaka amintsika momba ny fijerin’Andriamanitra. Ao amin’ireo filazantsara isika dia mahita ny fijery feno hatsaram-panahin’i Jesosy, Izay mampionona, manasitrana. Rehefa avy nandà ny Tompony i Petera mpianany, „ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe : ’Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao’. Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra” (Lioka 22:61-62). Mandraka ankehitriny dia mbola miantefa amiko io fijery feno fitiavana mahakasika ny fieritreretana io. Mbola hanodina ny masoko ihany ve aho ? Sa hamaly izany ary hitodika aminy ?

Fitiavana mandrakizay no itiavan’Andriamanitra ahy (Jeremia 31:3). Mahatoky Izy. Ny fitiavany dia tsy miova arakakaraka ny toe-pontsika, ny fivadibadihantsika, na koa ny hakanosantsika angamba. Inona no andrasany, ho valin’izany ? Ny anokafako ny foko aminy sy anolorako Azy ny fitiavako manontolo.