Alahady 4 Janoary 2026
Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6
Taloha kelin’ny nisamborana an’i Jesosy sy nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia io teny eo ambony io no navalin’i Jesosy an’i Tomasy, iray tamin’ireo mpianany. Io tenin’ny Tompo io dia maneho hevitra fototra telo :
— Lalana : Ny lalana dia soritra ahafahana manatratra tanjona iray ; misy teboka iaingany sy teboka itodiany io lalana io. Amin’ny resaka fivavahana, dia maro ny lalana nosoritan’ny olombelona. Samy manana ny heviny momba ny fomba hahazoana fahasambarana ny tsirairay. Mitondra mankaiza ireny lalana ireny ? „Misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany” (Ohabolana 14:12). Jesosy dia nanoritra ho antsika lalana tokana, mitondra antsika miainga amin’ny toetra maha mpanota antsika, mandra-pahatonga any an-danitra, ao an-tranon’ny Rainy.
— Fahamarinana : Tsy ao anatina filôzôfiam-piainana io fahamarinana io, na ao amina finoana manjavozavo ny any ankoatra. Tonga nofo tao amin’Olona iray izy io, tonga tao amin’i Jesosy Kristy. Izy irery no milaza amintsika ny marina momba antsika sy momba an’Andriamanitra. Tarafin’ny fahazavany ny toe-pahaverezan’ny olona, sady ampahahafantariny tsara tanteraka ny toetran’Andriamanitra : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).
— Fiainana : Ny fahafatesana, fiafaran’ny fiainan’ny olombelona rehetra, fiafarana mampangirifiry ! Nefa Jesosy, Izay „manana fiainana ho Azy” (Jaona 5:26), izany hoe manana ny aina ao anatiny, dia nahafoy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, mba hananantsika fiainana „be dia be” (Jaona 10:10-11) : fiainana feno harena miaraka aminy dieny androany, ary any ankoatra ity tany ity, fiainana mandrakizay miaraka amin’Ilay Nitsangana velona indray !
Lalana, fahamarinana ary fiainana : Olona iray ihany izany, dia Jesosy, Izay te hiditra eo amin’ny fiainanao. Vakio ny Filazantsara !