Asabotsy 3 Janoary 2026

Izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory… nahazo famindrampo aho… Tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota. 1 Timoty 1:13, 15

 

Fiovana fiainana

Voaheloka higadra mandra-pahafatiny i Roddy, satria namono olona iray. Taorianan’ny 17 taona nigadrany dia nisy fangatahana natao, hamotsorana azy alohan’ny fotoana. Noho izany dia tsy maintsy nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ny fitsarana ny mpikarakara ara-panahy ao amin’ny fonja. Ho an’ilay voaheloka no nanaovany izany.

— Nahoana ianao no mangataka mba hamotsorana ity lehilahy ity ? hoy ny mpitsara.

— Satria niditra tao amin’ny fiainany Andriamanitra ka nanova azy, hoy ny navalin’ilay mpikarakara ara-panahy.

— Inona no tianao holazaina amin’ny hoe : „Niditra tao amin’ny fiainany Andriamanitra” ?

— Izao : taloha izy dia nihevitra fa ny fitsaran’olombelona ihany no atrehiny. Takany anefa, indray andro, fa tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra ihany koa izy. Ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra dia namesatra azy kokoa, noho izay tsapany manoloana ny olona sy ny fiarahamonina. Mba afaka hamela heloka azy ve Andriamanitra ? noho ny heloka bevava nataony. Koa nitodika tamin’i Jesosy Kristy i Roddy, nino fa ny fahotany dia nentin’i Jesosy tamin’ny tenany. Nanaiky izy fa efa nefain’i Jesosy ny saran’ny fanafahana azy, ary dia afaka tamin’ny vesatr’ireo fahadisoany. Nanjary olom-baovao izy.

— Fanontaniana iray farany àry : raha afahana izy, ianao ve hanaiky azy ho mpifanolo-bodirindrina aminao ?

— Tsy ho mpifanolo-bodirindrina fotsiny ihany, fa ho rahalahy mihitsy.

Dia navotsotra i Roddy. Niaina mba hanompo ny Tompo izy, ary nijoro ho vavolombelon’izay afaka ataon’ny fahasoavan’Andriamanitra ao am-pon’olona iray, na ratsy fanahy toy inona aza io olona io.

„Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).