Zoma 2 Janoary 2026
Izy (Andriamanitra) ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra. Asan’ny Apostoly 17:25
Inona no havaliko an’i Jehovah, noho ny soa rehetra nataony tamiko ? Salamo 116:12
Naiditra hôpitaly ity lehilahy iray 93 taona, noho ny olana tao amin’ny taovam-pisefoany. Nahomby ny nanisiana azy oksizena nandritra ny efatra amby roapolo ora. Ny ampitson’iny dia nisy dokotera tonga teo aminy. Sady niresaka zavatra isan-karazany taminy izy no nilaza fa mitentina 500 dolara ny saran’ilay fitsaboana.
— Aza manahy ny amin’izany ianao, hoy izy taminy.
Nihifikifi-doha ilay marary, niteny hoe :
— Tsy ny faktiora no manahiran-tsaina ahy, manana ny hoentina manefa izany aho. Ny manahiran-tsaina ahy dia ny eritreritra hoe nandritra ny 93 taona aho nifoka ny rivotry ny habakabaka noforonin’Andriamanitra, nefa tsy mba nitakiany na inona na inona.
Inona no mendrika antsika ? Heverintsika hoe araka ny tokony ho izy ny miaina salama tsara sy ny manana ny fahafaha-manao rehetra. Inona moa no mba nataontsika, ka mahatonga an’Andriamanitra hanisy soa antsika isanandro isanandro ? Ny hatsaram-pony dia miseho amin’ireo zavatra faran’izay mahazatra indrindra, toy ny misefo, mihinana, mahita na mahare.
Rehefa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy dia niteny hoe : „Vita” (Jaona 19:30). Io teny io dia mandika ny teny grika hoe „tetelestai”, soratra apetraka eo ambany faktiora voaloa. Manome maimaimpoana famonjena antsika Andriamanitra, satria Jesosy Kristy efa nisolo toerana antsika teo amin’ny hazofijaliana, nanefa ny trosan’ny tsy fahaizantsika mankasitraka sy ny fahotantsika : voaloa ny faktiora ! Ny fahasoavany dia manome antsika zavatra tsy tokony ho azontsika akory. Tsy mendrika hahazo famelan-keloka isika, nefa noho ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, dia afaka mahazo izany, raha mametraka ny fatokiantsika aminy. Dia afaka misaotra Azy isika, noho ireo fanomezana rehetra avy aminy, ary indrindra noho io famonjena maimaimpoana io !