Alakamisy 1 Janoary 2026
Jehovah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin’ny tany rehetra ! Nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao… Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ? Salamo 8:1, 3, 4
Ny fiainana dia feno fanontaniana amin’ny lafiny maro : fahasalamana, fianakaviana, asa fivelomana, ny hoavin’ny planeta, ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao… fanontaniana tena ara-drariny. Misy hafa ihany koa, lehibe toy ireo ary iankinan’ny fiainantsika eto an-tany sy any ankoatra : fanontaniana momba an’Andriamanitra sy ny fifandraisantsika manokana aminy.
Misy ve Andriamanitra ? Fanontaniana lehibe fototra izany.
Famantarana maharesy lahatra momba ny fisiany, ny fahendreny ary ny hamoram-panahiny, no hita maso eo amin’ny voary manodidina antsika. Iza no hanaporofo fa nivoaka avy tamin’ny tsy misy ny tontolon’ny mananaina, tontolo maro singa izaitsizy ?
Ambaran’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra no Mpahary antsika : „Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” (Genesisy 1:1). Hentitra Izy manambara ihany koa fa tsy tongatonga ho azy tsy akory ny fisian’ny olombelona. Noforonin’Andriamanitra izy mba hamboly sy hiaro io voary mahatalanjona io (Genesisy 2:15), izay akanin’ilay mpivady afaka nifampiresaka tamina fiteny iraisany amin’Andriamanitra Mpahary azy, ary afaka nampita ny aina tamin’ny taranany.
Eny, misy dikany ny fiainantsika. Taomin’Andriamanitra isika mba hiaina izany, matoky tanteraka Azy sy miaraka aminy. Ny tanjon’ny fiainantsika ve tsy ny hanome voninahitra Azy sy hahita ny fifaliantsika ao aminy ? Hay atao izany, na eto amin’ity tontolo ity aza, tontolo feno fanontaniana tsy misy valiny. Namaly ireo Andriamanitra, tamin’Izy naneho ny tenany tao amin’i Jesosy Kristy Zanany, Izay tonga teto anivon’ny olona mba hamonjy azy ireo.
Isanandro isanandro ireto takila ireto dia mba te hanampy ny mpamaky hahita ireo valim-panontaniana avy amin’Ilay Andriamanitra tia antsika. Dia ho resy lahatra ny tsirairay fa misy Izy, ary tsy izany ihany, fa manatrika antsika isanandro koa.