Alarobia 25 Oktobra 2023
Ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin’ny tany, ka maharitra amin’izany, mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fiavian’ny Tompo. Jakoba 5:7-8
Ny mpamboly dia manaiky hotantanan’ny fihodinkodin’ny fizaran-taona, mba hahafantarany hoe rahoviana no tokony hamafy, hikarakara ny tanimboly, hijinja, hanangona.
Toy izany koa, ny kristiana dia mila torolalana. Mahita ny torolalana ao amin’ny fizaran-taona ny mpamboly, ny kristiana kosa mikatsaka izany eo amin’Ilay Andriamaniny. Tarihin’ny Tompo sy ny Fanahy Masina izy. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mitatitra amintsika tantara maro momba ny dian’ny apostoly Paoly. Nosakanan’ny Fanahy Masina izy tsy hitory ny Teny any Azia ; avy eo izy naniry hankany Bitynia, nefa mbola tsy navelan’ny Fanahy Masina ho any koa. Tamin’ny fahitana Makedoniana iray niantso vonjy dia takatr’i Paoly fa notarihina ho any Eoropa izy (Asan’ny Apostoly 16:9).
Ny fiainan’ny olona tsirairay dia mitaky fandraisana fanapahan-kevitra lehibe izay hisy vokany miharihary, na ho ela na ho haingana. Aiza no hianatra ? Aiza no honina ? Hividy trano sa hanofa ? Aiza ary ahoana no hampiasana ny vola tahiry ? Hanambady ve ? Iza no ho vady ? Ahoana no fomba hifanenana amin’ilay vady hiarahako eo amin’ny fiainana ? Inona no asa fanompoana iantsoan’Andriamanitra ahy ? Ahoana no fomba hitondrako fanampiana mivaingana ho an’ireo rahalahy sy anabaviko ao amin’ny finoana —zokiolona, sembana, tanora, ankizy, fianakaviana ? Maro sy isan-karazany ny fanontaniana.
Ny mpino dia mikatsaka hiankina amin’Andriamanitra, tsy amin’ny tari-dalana lehibe eo amin’ny fiainany fotsiny ihany, fa amin’ny lafiny azo tsapain-tanana tsirairay mihitsy. Dia henony ny feon’Andriamanitra miteny aminy hoe : „Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko, ka hanolo-tsaina anao Aho” (Salamo 32:8).
(tapitra)