Alakamisy 26 Oktobra 2023

Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao. Lioka 12:20

Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky ?… Mankanesa atỳ amiko —mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:2-3

 

Fitantanana tsara na ratsy (1)

Tsara vakina : Lioka 12:16-21

Ilay lehilahy mpanankarena resahina ao amin’io fanoharana io, araka ny mahazatra ankehitriny, dia hoheverina ho olona nahomby tsara teo amin’ny fiainany. Nefa nambaran’i Jesosy fa adala izy. Ary voamarina ny alin’io izany fitsarana izany. Maty izy teo an-tampon’ny firoboroboany.

Raha niaina ankehitriny niaraka tamintsika io lehilahy io, dia ho nalaza teo amin’ny fiarahamonina ary ho nohajaina fatratra. Tandremo anefa ! Ny mari-drefy andaharantsika ireo soatoavina dia tsy mitovy velively amin’ny an’Andriamanitra, satria, aminy, io olona io dia misaina mifanohitra amin’ny fahendrena.

Jesosy dia tsy nilaza azy hoe adala noho izy nanankarena. Tsy ny harena, amin’ny maha harena azy, no melohiny, fa ny fitiavan-karena tafahoatra sy ny mety ho fampiasana ratsy azy. Tsy manana lanjany ara-toe-panahy ny vola, amin’ny maha vola azy. Mety hampiasaina ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy izy. Tsy misy ao amin’ny harena, na inona na inona, tena maha tsy mendrika azy ara-toe-panahy ; ary tsy misy ao amin’ny fahantrana, na inona na inona, tena maha tsara toetra azy.

Jesosy dia tsy nanameloka ihany koa io lehilahy io noho ny nanagonany harena tamina fomba tsy marina. Araka ny fahitana azy, dia vokatry ny asa mafy nataony sy ny maha mpandraharaha malina azy no nahazoany ny fananany.

Koa inona àry no maha adala azy ? Voalohany, satria izy nandahatra ny fiainany, tsy niraharaha an’Andriamanitra ; manaraka izany, satria izy namitaka ny fanahiny, tsy nanome azy afa-tsy zavatsoa mihelina. Nefa „ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay” (2 Korintiana 4:18).

(farany rahampitso)