Talata 24 Oktobra 2023

Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Romana 8:21

Fa ny tany ho fenon’ny fahalalana ny voninahitr’i Jehovah, toy ny fanaron’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina Habakoka 2:14

 

Tokony hovonjena ny planeta

Nandritra ireto taona farany ireto dia nihamaro ny fandraisana andraikitra hanandramana hanavotra ny planeta : mampiasa bisikileta, fa tsy fiara, amin’ireo lalana haleha tsy dia lavitra ; manatsara ny fanefitra hafanana ny trano fonenana, manodina ny fakontsika, mihinana ny vokatra eo an-toerana…

Marina fa mijaly ny tany, noho ny fampiasan’ny olona azy be loatra, ary hamafisin’ny Baiboly izany. Miha ritra ny harena afaka omeny, satria tobatobaina. Ala miha fongana, karazam-biby lany tamingana dia samy avy amin’ny fitantanana ratsy ataon’ny olona. Asehon’Andriamanitra ao amin’ny Teniny ireo tena fototr’izany. Ao anatin’ny fontsika ireo. Ny avonavona, fahalovana, ary fitiavantena, ohatra, dia miteraka io fitantanana tsy lavorary io, mahatonga fahoriana eo amin’ny fiarahamonina sy fikorontanana eo amin’ny voary.

Tsy ho ela ny voary dia ho afaka amin’io fanandevozana io. „Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro : Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany, ary ny ranomasina sy ny tany maina ; ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra” (Hagay 2:6-7). Ilay Andriamanitra Mpahary sy Mpitahiry ny zavatra rehetra dia tsy hamela ny olona hanimba tanteraka ity tontolo mampigaga ity. „Hampihorohoro” ny tany amina fitsarana Izy, ary hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra, ho araka ny fiheviny. Hankininy amin’i Jesosy Kristy ny fitantanana izao tontolo izao. Ny tany dia hafahana amin’izay rehetra fanandevozana, mandritra ny fanjakany feno fahamarinana sy fiadanana.

Anio isika dia taominy hitodika amin’i Jesosy, Izay nolavin’izao tontolo izao, roa arivo taona lasa izay. Izay mihaino ny teniny dia hazavaina momba ny toe-piainany simba noho ny ota, aloha. Ary ny fony dia misokatra mba handray an’i Jesosy ho hany Mpamonjy.