Alatsinainy 23 Oktobra 2023
Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany. Salamo 50:1
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga… Moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy ? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny ? Nomery 23:19
… Nampitenenany (Nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:2
Adama sy Eva dia tsy nankatò an’Andriamanitra… Raha mihevitra ianao fa tsy ho nanao toy izany, teo amin’ny toerany, dia taomiko hanontany tena an-kitsimpo hoe : ankehitriny, arivo taona maro taorianan’io zava-nitranga teo amin’ny fiainan’ireo ray aman-drenintsika voalohany io, toerana inona no atokanao ho an’Andriamanitra, eo amin’ny fiainanao ? Ianao ve mikatsaka hahafantatra izay heveriny ? Sa ve ianao manilika Azy avy hatrany, ka tsy mametra-panontaniana be loatra, na olona hafa no avelanao hihambo hamaly, hisolo toerana anao ? ary maminavina mihitsy aza fa ny siansa dia efa „nandravona ny olana”. Angamba ianao manantena fa diso hevitra ny Baiboly, nefa amin’izay dia tandindomin-doza lehibe ianao.
Izahay tsy te hamaly, eo amin’ny toeranao, ireo fanontaniana mety hapetrakao momba an’Andriamanitra. Maniry fotsiny izahay hamelabelatra aminao izay lazain’ny Baiboly, satria miteny am-pahefana izy, efa taonjato maro izao, ary tsy nisy na iza na iza afaka nampangina azy. Ary tsy hoe satria tsy nanandrana ! Ambarany mazava fa ho fanasoavana anao izany. Ianao ihany dia ho afaka hitsara ny amin’izany.
Niteny tamin’ny olona tamin’ny fomba maro Andriamanitra, nefa tsy nisy vokany izany. Koa nidina teo amin’izy ireo Izy, tao amin’i Jesosy Kristy. Naka endrik’olombelona Izy, mba hiresaka aminy indray, sy hanambara aminy fa Izy dia Andriamanitra fitiavana, Ilay hany Andriamanitra marina sy Mpamonjy. Jesosy Kristy no nizaka ny vokatry ny tsy fankatoavana mampihoron-koditra nataontsika, mba hisiana fifandraisana marina eo amin’Andriamanitra sy isika, afaka hiverina amin’ny laoniny indray. Tokony hekena izany, amin’ny fo manontolo, mba hiainana izany !