Alahady 22 Oktobra 2023

Niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy (Jesosy nitsangana velona)… Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’i Jakoba Izy, dia tamin’ny Apostoly rehetra. Ary faran’izy rehetra, izaho (Paoly), izay toy ny tsy tonga volana aza, dia mba nisehoany koa. 1 Korintiana 15:6-8

Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo. 1 Korintiana 15:17

 

Ny nitsanganan’i Jesosy Kristy velona indray

Tsara vakina : 1 Korintiana 15

Ny Grika tamin’ny taonjato voalohany, toy ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika, dia mihevitra ho tsy hay atao ny fitsanganan’ny vatana ho velona indray, izany hoe ny fiverenana avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahavelomana. Noho izany dia nesoesoin’ny olona tany Atena ny apostoly Paoly, nanambara ny fitsanganan’ny maty (Asan’ny Apostoly 17:32).

Na tao amin’ny fiangonana tany Korinto aza, ny sasantsasany dia nisalasala momba ny fitsanganan’ny vatana ho velona indray. Koa voatery i Paoly nampahatsiahy azy ireo ny maha zava-dehibe izany. Ny mandà izany mantsy dia midika hoe manilika ny votoatin’ny finoana kristiana, dia ny fitsanganan’i Kristy velona indray, ny any ankoatra, ny fitsarana ho avy… Izany dia mandà fa nankatoavin’Andriamanitra ho manan-kery ny sorona nataon’i Kristy, izay nanaisotra manontolo ny fahamelohantsika, sy nanao antsika ho zanak’Andriamanitra.

Paoly dia afaka niaro tamin-kery ny fitsanganan’ny maty, satria nifanena mihitsy tamin’Ilay Nitsangana velona indray, teny an-dalana ho any Damaskosy, fony izy mbola mpanohitra mahery vaika ny Filazantsara. Nihevitra izy fa maty Jesosy, ary nenjehiny ny mpianany ; hay Jesosy mihitsy no nanakana azy, sy niteny taminy avy any an-danitra (Asan’ny Apostoly 9:6). Manoloana io toejavatra nandavo azy io, dia voatery i Paoly niverina nandinika ny faharesen-dahatra rehetra nananany, ka nanjary Kristy nitsangana tamin’ny maty, Kristy velona, no ivon’ny fiainany sy ivon’ny fitoriany. Ny fijoroany ho vavolombelona dia nanampy ny an’ireo marobe nahita maso ny fitsanganan’i Jesosy velona indray. Nampiorina mafy ny fahamarinan’ny fitsanganany velona indray izy ireo.

Ny fitsanganan’i Jesosy Kristy velona indray, izany, dia zava-nitranga azo antoka, satria taterin’ny Tenin’Ilay „Andriamanitra tsy mahay mandainga” (Titosy 1:2).