Asabotsy 21 Oktobra 2023
(Hoy Jesosy :) Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Jaona 14:3
Ny olombelona, zavamananaina mety maty, dia tsy mahazo mifanatrika mivantana amin’Andriamanitra : „Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”, hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy (Eksodosy 33:20). Izany indrindra no maha trangan-javatra tena tsy fahita ny nahatonga nofo an’i Jesosy. Na dia tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra aza, na oviana na oviana, dia „ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1:18). Jesosy Kristy dia naka ny endrik’olombelona, ka nonina teto anivontsika (Jaona 1:14). Andriamanitra Zanaka dia nandao ny fonenany any an-danitra. Tonga tetỳ amin’ity tontolo misy antsika ity Izy, mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota, sy mba hitondra antsika hiaraka aminy any an-danitra. Nafahana tamin’ny ota isika, ka hahita ny voninahitr’Andriamanitra hiseho feno. Io fahitana io dia hihoatra noho izay rehetra zava-mahagaga fantatra na afaka saintsainina etỳ an-tany. Fahatsinjovana feno voninahitra izany, ho an’ny finoan’ny kristiana. Hahita mifanatrika ny Tompony izy (1 Korintiana 13:12).
Ambaran’ny Baiboly ny fomba hitrangan’io toejavatra io : „Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika” (1 Tesaloniana 4:16-17).