Zoma 20 Oktobra 2023

Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. 1 Jaona 5:11-12

 

Ny solotohatra (ascenseur)

Taonjato iray mahery lasa izay dia nisy mpitory ny Filazantsara, nidina tao amin’ny zohy fitrandrahana mba hampahafantatra an’ireo mpiasa ny fitiavan’Andriamanitra, Izay manolotra fanafahana maimaimpoana ho an’ireo rehetra mino ny Zanany.

Hoy ny iray tamin’izy ireo : — Mba mora loatra izany, amiko !

Koa nanontany ilay mpitory Filazantsara hoe :

— Ahoana no fomba ivoahanao tato amin’ity zohy fitrandrahana ity ?

— Amin’ny solotohatra, hoy ilay mpiasa namaly. Minitra vitsy monja dia mahita indray ny fahazavan’ny masoandro.

— Mora tokoa. Nefa angamba nitaky asa be ny nandavaka ity zohy ity sy nametraka ny firafi-pitaovana manontolo atỳ amin’ny lalina toy izao !

— Ie ! Lany vola tsy toko tsy forohana ny tompony, nefa io no fomba tokana hivoahana ny zohy.

— Nefa rehefa manambara Andriamanitra fa manana fiainana mandrakizay izay mino ny Zanany, dia hoy ianao hoe : „Mba mora loatra izany, amiko !” Izany dia midika fa tsy hiakatra amin’ny solotohatra ianao, satria hoe tsy ianao no nandoa ny vidiny.

Lafo lavitra noho izay ho takatsika naloa ny namoahana antsika tao anaty lavaka nandetehan’ny ota antsika. Andriamanitra no nanefa ny saran’izany, tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana. Nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, nisolo toerana antsika, nizaka ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotantsika. Efa milamina ny zavatra rehetra, ka tsy mitaky na inona na inona amintsika Andriamanitra, afa-tsy ny inoantsika sy andraisantsika ny fanomezana mahatalanjona avy aminy. Miantso anao Izy androany : aza lavina ny fitiavany, manatòna ny fahazavany !