Alakamisy 19 Oktobra 2023

Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra ; isaorana anie ny anaran’i Jehovah ! Joba 1:21

 

Afaka miteny hoe : „Tsara ihany”

Tsara vakina : 2 Mpanjaka 4:18-37

Taorianan’ny nahafatesan’ny zanany lahy dia nitoetra tony sy nilamina hatrany ilay vehivavy Sonemita. Tsy mba nitaraina izy. Tsy nanaitra ny manodidina azy. Tsy nisy, na iray aza, afaka nahatsikaritra ny fangirifirian’ilay fon-dreny. Nilazany ny vadiny hoe milamina tsara ny zavatra rehetra, dia lasa izy nankany amin’ilay mpaminanin’Andriamanitra noraisiny tao an-tranony. Taminy no namborahany ny fony, nilazany ny nahafatesan’ny zanany. Na teo aza ny fahoriany, dia natoky izy fa hain’Andriamanitra ny mamelona azy indray.

Miteny amintsika mpino io tantara io. Mety hiaina toejavatra tena mampangirifiry isika, mety hamoy fo mihitsy, hany ka handona ny manodidina antsika, ary mety hisalasala mihitsy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra aza. Vonton’ny alahelo ny fontsika, voamarik’izany ny tavantsika, dia mijanona eo isika, irery miaraka amin’ny fahoriantsika, sady manampy trotraka indraindray ny fahatsapana fa tsy misy mahatakatra ny manjo antsika, na ireo akaiky antsika aza. Lasa nanatona ny mpaminany ilay vehivavy Sonemita ; isika ndao hitodika amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy Zanany, amin’ny alalan’ny vavaka.

Tia antsika Andriamanitra, ndao hangataka aminy mba tena hatoky Azy. Fantany ny trangan-javatra tsirairay eo amin’ny fiainantsika, ary Izy irery no afaka manampy antsika hiaina ireny. Satria miantehitra aminy isika, dia ho afaka miteny aminy hoe : „Tsara ihany”, na ao anaty toejavatra mampangirifiry aza.

„Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:6-7).