Alarobia 18 Oktobra 2023
Ianareo izay manao hoe : Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay, ary hitoetra any herintaona, ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra, kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo… Aleo manao izao : Raha sitrapon’ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany. Jakoba 4:13-15
Ankalazain’ny fiarahamonina iainantsika ankehitriny ny fahaleovantena sy ny fahazakantena. Fa ho ana kristiana kosa, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : aiza no misy an’Andriamanitra ao amin’ireo vinavinako ? Andriamanitra irery tokoa mantsy no hany afaka hitari-dalana ny mpino ho amina fiainana miroborobo sy mahasoa, ho Azy. Nefa dia kinga erỳ isika manao safidim-piainana, tsy manontany izay hevitr’Andriamanitra, na dia mety hanenenana aza any aoriana !
Nilaza tamin’ny mpianany Jesosy hoe hialoha azy ireo any Galilia, rehefa mitsangana velona indray. Koa nandeha nankany amin’ny toerana nirin’ny Tompo hihaonana aminy indray izy ireo (Jaona 21:1-3). Na izany aza anefa, dia toa niverina nitohy indray ny asan’izy ireo taloha, toy ny hoe nisy ampaham-piainany nifarana teo. Nanapa-kevitra handeha hanarato i Simona Petera ; dia nanaraka azy ireo namany. Rehefa anaty fikorontanan-tsaina ara-panahy isika dia mirona, indraindray, hanao zavatra araka ny fisainantsika manokana sy amin’ny herintsika samirery. Efa nilaza tamin’ny mpianany ny Tompo hoe : „Raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:5). Nandeha nanarato irery izy ireo nandritra ny alina, nefa tsy nisy vokany. Nony maraina dia nanatona azy ireo Jesosy, niteny taminy handatsaka indray ny haratony, izay tsy zakany nakarina intsony, tamin’ity indray mandeha ity, noho ny habetsaky ny hazandrano azony.
Rehefa te handray fanapahan-kevitra samirery isika, dia matetika no ho tonga amina fahadisoam-panantenana maharary, faharavana hevi-dravina, andrankandrana feno kisendrasendra, tombana anjoanjo, indraindray arahina voka-dratsy mavesatra. Ndao hianatra hampiditra tsy misy fepetra an’Andriamanitra eo amin’ny antsipiriany rehetra amin’ny fiainantsika, sady hiorina amin’izay ambaran’ny Baiboly, mba hahatakatra izay sitrapony ho antsika. Dia ho voaova ny fiainantsika.