Talata 17 Oktobra 2023

Niakatra hatramin’ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ny lalina. Salamo 107:26

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

 

Miaka-midina

Androany dia tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny. Omaly aho nahatsapa ny Tompo tena teto akaikiko. Izao aho tsy mahavita mivavaka, ary toa lavitra ny Tompo… Tsy tsapako intsony ilay fifaliana sy fiadanana omaly. Fa inona no mitranga ? Nisy ratsy nataoko ve ? Nanalavitra ahy ve ny Tompo ?

Misy miaka-midina, mbamina toe-panahy miovaova, iainana kristiana maro, amina hamafiny samihafa…

Rehefa takon’ny rahona ny masoandro, dia mbola mitohy mamiratra ihany, ao amin’ny lanitra ao. Nefa avy etỳ an-tany dia tsy hita ny hazavany.

Tahaka izany koa ny fitiavan’Andriamanitra. Toy ny masoandro mamiratra be any ambony rahona any, dia tsy mba miova ny fitiavan’Andriamanitra. Mihazona feno ny heriny izy, ary mbola vonona hatrany hivelatra amim-pomba mahomby mba hampahery antsika, sy hanasitrana am-pitiavana antsika.

Tiantsika ve ny hihidy ao anatin’ny toejavatra iainantsika, hilanja ireo ahiahintsika, hanaiky hokikisin’ny fangidiana ? Hiaina manirery, hiziriziry handà tsy hiaiky fahadisoana, na tsy hamela heloka ? Raha lazaina amina teny hafa : tiantsika ve ny hitoetra atỳ ambanin’ny rahona, sa handoaka azy amina fijerim-pinoana ? ka hanandrandra ny masontsika amin’Ilay Andriamanitsika, Izay mazava, dia hahita izay mahazo antsika, toy ny fahitany izany. Hoentiny ho antsika ny fampaherezan’ny fitiavany, ny torohevitry ny fahendreny, ary ny hery sy fifaliana avy amin’ny famelany heloka.

Atodiho amin’i Jesosy ny eritreritsika ! Ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana dia lavorary ary ampy ho amin’ny famonjena ahy mandrakizay. Na oviana na oviana, ny fitiavany dia tsy ho simban’ny fitondrantenako, ary ny famindrampony mitohy isanandro isanandro (Salamo 52:1).