Alatsinainy 16 Oktobra 2023
Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra. Matio 4:4
(Hoy Jesosy :) Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. Jaona 6:35
Manjary tsapako fa makadiry ny otako, satria mba hanonerana azy, dia tsy maintsy nokapohin’Andriamanitra tamin’ny hatezerany manontolo Jesosy, Ilay Zanany malalany, Ilay hany tsy nanota.
Maimaimpoana ny famelan-keloka, ho an’izay miaiky ny fahotany ; saingy lafo indrindra ny sarany naloan’Ilay Mpamonjintsika.
Tonga tetỳ amin’izao tontolo izao Jesosy, mba hiteny amintsika amin’ny anaran’Andriamanitra, sy hanefa ny saran’ny famonjena antsika. Any an-danitra Izy ankehitriny, mba hiresaka amin’Andriamanitra, ho tombontsoan’ireo izay navotany.
Raha mpino miady amin’ny rahalahiny, dia tsy afaka hihavana amin’Ilay Rainy any an-danitra.
Rehefa mivavaka ianao, aza manome baiko an’Andriamanitra, fa aleo miseho aminy mba handray izay tiany holazaina anao.
Rehefa kely eo imasontsika Andriamanitra, dia ohatra ny lehibe amintsika izao tontolo izao. Rehefa lehibe amintsika Andriamanitra, dia toa bitika kely amintsika izao tontolo izao.
Ny antokom-pinoana rehetra foronin’ny olona sy ampianariny dia afaka fintinina hoe : Manaova, dia hanome anao Andriamanitra. Ny tena finoana kristiana kosa dia milaza amintsika ny mifanohitra amin’izany : Nanao Andriamanitra ary manome anao ; amin’izay ihany ianao vao afaka manao.