Alahady 15 Oktobra 2023
Izany no tena fahasoavan’Andriamanitra —tomoera tsara amin’izany ianareo. 1 Petera 5:12
Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11
Ny hoe fahasoavana dia tombontsoa manokana tsy mendrika horaisina, nefa omena malalaka olona iray. Taomin’ny andinin-tSoratra Masina androany isika hieritreritra ny „tena fahasoavan’Andriamanitra”. Tsy midika izany tsy akory hoe manakimpy ny maso, tsy hijery ny ratsy na ny tsy fahamarinana, toy ny hoe zavatra tsy dia misy lanjany ny tsy fankatoavan’ny olombelona, zavatra tsy misy dikany eo imason’Andriamanitra. Raha odina tsy hita fotsiny mantsy ny ratsy, satria hoe eo ny fahasoavana, dia ho fahasoavana varo-boba io, tsy hahatontosa ny fepetra takin’ny fahamasinan’Andriamanitra. Izay rehetra fahotana natao dia mendrika fitsarana. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy manao ny ratsy ho toy ny tsy misy, nefa kosa manome ho an’ireo rehetra maniry izany, fomba haha voavela ny ratsy nataony.
Isika dia nohamasinina sy nodiovin’ny sorona nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana. Teo Jesosy dia niaiky ny ratsy naha meloka antsika, toy ny hoe Izy no nanao izany. Voasoratra ao amin’ny Salamo 40, izay miresaka amintsika momba ny Tompo, ny hoe : „Nahazo ahy ny heloko” (and 12). Niaretan’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana ny sazy vokatry ny fahotantsika, izay noraisiny hoe fahotany.
Ny tena fahasoavan’Andriamanitra dia niseho tamin’ny fanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany. Tetỳ an-tany Jesosy dia nankatò an’Andriamanitra, toy ny tokony ho nankatoavan’ny olona rehetra Azy, nanomboka tamin’ny fahariana. Noho ny fankatoavan’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy, „… no hanaovana ny maro ho marina” (Romana 5:19).
Ny tena fahasoavan’Andriamanitra dia mahatonga antsika ho marina, rehefa ekentsika ny asa fanonerana teo amin’ny hazofijaliana. Manafaka antsika amin’izay rehetra fahamelohana io asa io. Andraikitsika ny manaiky azy. Amin’izay, „izany tena fahasoavana itoerantsika izany” dia manaraka ny fiainan’ny mpino manontolo.