Asabotsy 14 Oktobra 2023
Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika… Andriamanitra lehibe noho ny fontsika, ka mahalala ny zavatra rehetra. 1 Jaona 3:20
Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po. Galatiana 5:22-23
Afangaro indraindray ny fiekena ireo fahotana amin’Andriamanitra, fiekena mitondra mankamin’ny famelany heloka, sy ny fanamelohan-tena. Ity farany dia mahatonga ahy hihevitra fa tsy afaka havela heloka aho, ary manakona amiko ny fahatongavana amin’ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Andriamanitra anefa dia tsy mitady antsika hiaina ao anaty fahatsapana fahamelohana.
Hoy ny mpino iray nanoratra : „Ratsy ny nataoko tamin’ny lasa, nefa izany tsy mamaritra ny maha izaho ahy ankehitriny. Marina fa nanao ratsy tamin’olona maro aho, tsy afaka hiverina amin’ny taloha intsony. Mampalahelo ahy mafy izany, nefa io fahatongavan-tsaina io dia tsy mitovy amin’ny fanamelohan-tena, izay manidy ny tena. Raha vao reko ato anatiko ny feon’ny fanamelohan-tena, dia fantatro fa tsy ny feon’Andriamanitra izany. Kristy mantsy dia efa nijaly teo amin’ny hazofijaliana, noho ny fahotako rehetra. Tsy tiany mbola hijanona ao anatin’ny fanamelohana aho ; efa nisolo ahy Izy, nizaka ny famaizana. Koa noho ny fahasoavany dia afaka mihoatra ny fahatsapana henatra sy fahamelohana aho, ary mino ny tenin’Andriamanitra milaza amiko fa efa nohamarinina ao amin’i Kristy aho, ary efa nodioviny tamin’ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana. Amin’ny alalany dia afaka miaina aho, miaina nafahana tamin’ny fahatsapana henatra, miantehitra amin’izay nataony sy nanjary hay atao, tamin’ny nahafatesany mba hisolo toerana ahy.
Sarotra tamiko ny nino ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Tsy maintsy niaiky tanteraka aho fa tompon’andraikitra tamin’ny nataoko, mba ho afaka mahatsapa fa navelan’Andriamanitra heloka tanteraka” (araka an’i B. Mitchell)
Hoy i Davida mpanjaka : „Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho : Hiaiky ny fahadisoako amin’i Jehovah aho ; ary Ianao dia namela ny heloky ny fahotako” (Salamo 32:5).