Zoma 13 Oktobra 2023
Izay milaza fa mitoetra ao aminy (ao amin’i Kristy) izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. 1 Jaona 2:6
Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny filazantsaran’i Kristy. Filipiana 1:27
Tao amina tanàna kely iray any Armenia, Inna dia tia fatratra mamaky ny Baiboly sy nijoro ho vavolombelon’ny finoany, ary nampianatra fa ny Tenin’Andriamanitra dia mpitari-dalana sy mpanampy sarobidy ao anatin’ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.
Indray andro dia tsy hita ny fasiany dite. Ny ampitso dia naverin’i Seta mpifanolo-bodirindrina aminy ilay izy, no sady nanazava izy hoe : „Nafeniko ny fasianao dite, mba hahitako raha ho tezitra ianao ary hiteny ratsy rehefa mahatsikaritra ny nahaverezany ; nefa hitako fa tsy nitranga izany”.
Ahoana ny fihetsitsika isanandro, eo anatrehan’ny hafa ? Ny fiainana dia mitondra hasorenana, zava-misakana na toejavatra mahatonga hihevitra fa toa mivaona ny zavatra rehetra. Ry namana kristiana, ahoana ny hamaliantsika ireny ? Manaiky ho azon’ny tsy faharetana na ny hatezerana ve isika ? Ny fomba fitenintsika ve ahitana ny maha zanak’Andriamanitra antsika, sa isika mampiasa ny fiteny vantambantana ankehitriny ? Isika ve mba mampiseho „fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra” (1 Petera 3:4) ? Mosesy, izay niresahan’i Jehovah „nifanatrika… tahaka ny olona miresaka amin’ny sakaizany” (Eksodosy 33:11), dia „lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany” (Nomery 12:3). Aza hadinointsika io ohatra io, ary indrindra, ndao hanahaka an’i Jesosy, Ilay Mpampianatra antsika, Izay malemy fanahy sady tsy miavona am-po (Matio 11:29). Aoka Izy hanome antsika ny faniriana hanahaka Azy, mba hahitan’ny hafa fa niaraka tamin’i Jesosy isika (Asan’ny Apostoly 4:13). Ndao hitady izay hahafaly Azy, mandritra ny fiainantsika manontolo, eo amin’ny fihetsitsika sy ny tenintsika. Mahatoky Izy ary hanampy antsika.