Alakamisy 12 Oktobra 2023
Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. Romana 4:5
Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (amin’Andriamanitra). Hebreo 11:6
Nanana toetra tsara ambony ilay kapiteny romana tantaraina ao amin’io toko io, niangavy an’i Jesosy. Tena mpitarika tokoa izy, mahay mampanoa ny olona feheziny. „Hoy izaho amin’ny anankiray : Mandehana, dia mandeha izy, ary amin’ny anankiray koa : Avia, dia avy izy, ary amin’ny mpanompoko : Ataovy izao, dia manao izy.” Na izany aza anefa, dia nanetry tena hatrany izy, ary niteny tamin’i Jesosy hoe : „Tsy mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho”. Nampiseho fitsinjovana marina ilay mpanompony marary koa izy.
Hihevitra ny toetrany tsara rehetra ve ny Tompo, ka noho izany dia hamaly ny fiangaviany ? Tsia dia tsia. Tsy misy afaka manantena ireo fitahian’Andriamanitra satria hoe tsara, marina, maha te ho tia, mahitsy fo. Namaly ny fangatahan’io kapiteny io Jesosy, satria nahita tao aminy ny finoana ankasitrahiny. Rehefa niteny ilay kapiteny hoe : „Mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko”, dia namaly ny finoany Jesosy ary nanasitrana ilay marary. Mampigaga ny fatokian’io lehilahy io, ary nolazain’i Jesosy izany. Teny iray ihany dia ampy nanomezana azy ny fahazoana antoka ny fanafahana.
Io teny manafaka io dia notenenin’i Jesosy antsika ihany koa : „Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25). Tsy ny toetra tsara na fahamendrehantsika no hahitantsika fitia amin’Andriamanitra, fa ny finoana ny asam-pamonjena notanterahin’i Jesosy, ary io irery ihany. „Nino an’i Kristy Jesosy koa isika, mba hohamarinina amin’ny finoana an’i Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna” (tsy amin’ny fampiharana ny lalàna) (Galatiana 2:16).