Alarobia 11 Oktobra 2023
Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota ; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina. Oria, sy mitomania… Manetre tena eo anatrehan’ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy. Jakoba 4:8-10
Ny sorona nataon’i Jesosy Kristy teo amin’ny hazofijaliana dia mahery mba hahavonjy ny tsirairay, raha miaiky izy fa mpanota, eo anatrehan’Andriamanitra ; dia manjary zanany izy, amin’izay. Ny maha tsara ny Filazantsara dia noho izy miantefa, tsy amin’ny mpanota fotsiny ihany, fa amin’ny mpino nateraka indray koa. Io mpino io mantsy, araka ny maha mbola zaza azy, dia mety hanaiky ho tratra hanao na hieritreritra zava-dratsy.
Rehefa mamaky ny Baibolintsika isika, dia afaka ho voatarika hahatsapa fa misy zavatra sasantsasany, eo amin’ny fiainantsika, tsy azon’Andriamanitra ankasitrahina. Ireo fahotana ireo tsy akory tsy mahavery ny ain’Andriamanitra noraisintsika rehefa niova fo ho amin’i Kristy isika. Nefa manamatroka ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra izy ireo. Tiany mandrakariva isika, satria zanany, nefa Izy dia masina. Koa very avokoa ve izany ny zavatra rehetra, ho an’ny mpino nanota ? Tsia dia tsia. Midadasika ny loharanon-kerin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Azo atao hatrany ny miverina aminy, mba handamina ny fiainan’ny tena. Tsy hoe miova fo indray tsy akory, fa miaiky amin’Andriamanitra hoe tamin’inona no nanotantsika, satria „raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy [Andriamanitra], ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Ny atao hoe tsy fahamarinana, dia izay zavatra tsy marina.
Ny fieken-keloka dia miaraka amin’ny fibebahana, izany hoe ny fanenenana lalina noho ny ratsy natao, sy ny faniriana tsy hamerina izany intsony.
Ny famelan-keloka dia azo rehefa niova fo, nefa ny miaina isanandro ao amin’ny fiombonana amin’Andriamanitra dia mitaky ny fiekena aminy ireo fahadisoantsika. Voavela ireo noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana.