Talata 10 Oktobra 2023

Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho. Jeremia 7:23

 

Niantso an’Andriamanitra aho

„Fony mbola tovovavy aho dia naniry hahafantatra ny anton’ireo zavatra ratsy toy ny ady, ny vonoana olona, sns. mitranga eto amin’izao tontolo izao. Inona no atao hoe tsara ? ary inona no ratsy ? Iza no mamaritra izany ? Iza no mihevitra izany ? Nanao asa ratsy aho ary mbola nanohy izany ihany. Arakaraka ny nametrahako fanontaniana mba hahafantarako ny marina, no nandrenesako hevitra hafa momba an’Andriamanitra. Namoy fo aho, ary nanandrana namono tena mihitsy aza, satria tsy hitako izay ilàna miaina eto amina tontolo feno fahalovana sy tena adala toy izao. Soa ihany fa tsy nahomby ny andrana nataoko, ka nahatsapa tao am-poko aho hoe : „Misy Andriamanitra, ary tiany ho velona aho”. Niantso Azy aho hoe : „Raha liana ny amiko Ianao, dia asehoy ahy fa marina Ianao !” Nisy olona nitaona ahy hanatrika fivoriana kristiana. Tsy tena resy lahatra aho ny amin’izay ho vokatr’izany, nefa nanatrika ilay fivoriana ihany. Mbola tsy nahare resaka mikasika lohahevitra toy izany mihitsy aho tany aloha, ary nahatsapa fa efa ho nandritra ny roapolo taona no nianina nihaino fotsiny izay notorin’ireo pretra, ka tsy nandray Baiboly mihitsy, mba hamaky mivantana ny Tenin’Andriamanitra. Mbola tsy nandinika ny fiainako na oviana na oviana aho, tamin’ny alalan’ny fahazavan’ny Soratra Masina, izay tokony hiankinantsika, amin’ny maha kristiana antsika. Vaovao tanteraka tamiko izany, ka sambany aho, teo amin’ny fiainako, no nahatsapa ny tenako ho afaka, afaka tamin’ny fahatezerana rehetra notazoniko tsy hiloaka nandritra ireo taona nifanesy. Fantatro, nanomboka teo, fa tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho ny famonjena tamin’ny alalan’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy mba hanafaka ahy amin’ny fahotako rehetra ; nanomboka fiainam-baovao aho !”

Térésa