Alatsinainy 9 Oktobra 2023
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Ianareo koa, izay isan’ireny, dia voantso ho an’i Jesosy Kristy. Romana 1:6
Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra. 1 Jaona 3:1
Araka ny rakibolana, ny atao hoe kristiana dia olona manaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Io famaritana io anefa dia tsy manome ny dikany feno ara-Baiboly. Nipoitra voalohany io teny io, rehefa tsikaritr’ireo izay tany Antiokia ny mpianatr’i Jesosy ka nantsoiny hoe „Kristiana”. Ny fitondrantenan’izy ireo, ny asany, ny teniny dia samy nampiseho taratra ny an’i Jesosy, Ilay Kristy, Ilay Mpampianatra azy ireo (Asan’ny Apostoly 11:26). Nefa io fiantsoana azy ireo io dia tsy nampiseho ny tena toetran’ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jesosy Kristy. Izy ireo dia tsy nitovy fihetsika tamin’ireo mpiara-monina taminy, satria tena nino marina fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpamonjy ireo izay mino Azy.
Ankehitriny dia very ny ampahany lehibe amin’ny dikan’ny teny hoe „kristiana”. Matetika izy io dia manondro olona mivavaka mifikitra amina soatoavina ara-pitondrantena. Misy olona tsy miraharaha akory an’i Jesosy Kristy, mihevitra ny tenany ho kristiana, satria mamonjy fotoam-pivavahana. Nefa na ny mandeha any am-piangonana aza, na manampy ireo mahantra, na miseho ho „olona tsara”, indraindray dia endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra fotsiny (2 Timoty 3:5). Ny fanontaniana lehibe fototra dia hoe : Izaho ve mino ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, Izay hany manana ny fahefana hamela ireo fahotako sy hanome ahy ny fiainana mandrakizay ? Izaho ve zanak’Andriamanitra ?
Manana io fahazoana antoka io ve ianao ? Eny ? Raha izany, Andriamanitra dia manisy eo aminao ny tombo-kaseny, izay tsy azo kosehina : ny Fanahy Masina (Efesiana 1:13). „Nateraka indray” ianao. Ao anatinao ny ain’i Jesosy. Izany no tena kristiana. Ka vokany eo no ho eo, dia maniry ianao hiaina toy ny niainan’i Kristy, fa tsy amina fakana tahaka fotsiny.