Alahady 8 Oktobra 2023

Nandre feon’anjely maro (aho)… ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamin’ny feo mahery hoe : Ny Zanak’ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. Apokalypsy 5:11-12

 

Ny fideran’ireo anjely

Ireo teny ireo dia miantefa amin’Ilay Zanak’ondry novonoina, izany hoe Jesosy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra (Jaona 1:29). Izy ireo dia mifanipaka amin’izay hitan’i Jesosy tetỳ an-tany, avy amin’ny olona. Izy mantsy dia mendrika handray :

— „hery”, hoy ny anjely. Ny olona dia nihevitra Azy ho mendrika hazofijaliana, ary naneso Azy hoe : „Vonjeo ny tenanao !” (Matio 27:40).

— „harena” : Jesosy dia teraka tao amina fianakaviana mahantra, ary niara-niaina tamina olona tsotra. Nanao ny asan’ny mpandrafitra Izy. „Na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo” (2 Korintiana 8:9).

— „fahendrena” : nolazain’ny olona hoe very saina Izy (Jaona 10:20), nefa Izy mihitsy no fahendren’Andriamanitra (1 Korintiana 1:24).

— „faherezana” : Jesosy dia nanaiky ny fahalemena mifamatotra amin’ny toetra maha olona, ary „voahombo tamin’ny hazofijaliana… noho ny fahalemena” (2 Korintiana 13:4).

— „haja” : „Ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy” (Jaona 8:49), hoy Jesosy. Ary io fanazimbazimbana io dia tonga tamin’ny faratampony talohan’ny nahafatesany : nororana ny tavany, nosatrohina satroka tsilo Izy (Marka 15:16-19).

— „voninahitra” : Jesosy, Izay Andriamanitra, dia nanaiky hanjary olona sy hiaina ny fiainan’ny olona tsotra. Nekeny ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, ilay famaizana natokana ho an’ny andevo.

— „saotra” : ny fanomboana eo amina hazofijaliana dia midika ihany koa ho ozona, ao amin’ny Testamenta Taloha : „Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo” (Galatiana 3:13).

Izany no natokan’ny olona ho an’i Jesosy, nandritra ny fiainany : fanaovana tsinontsinona, fankahalana, faniratsirana… Izao kosa no atokan’Andriamanitra ho mandrakizay ho an’Ilay Zanany : hery, harena, fahendrena, faherezana, haja, voninahitra, ary saotra.