Asabotsy 7 Oktobra 2023
Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Jeremia 10:10
Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony ; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Romana 11:36
Hoy ny olona iray : „Ny Baiboly dia tsy boky ho afaka nosoratan’olona, raha tia nanoratra azy izy ; ary tsy boky ho tian’olona nosoratana, raha afaka nanoratra azy izy”. Ny Baiboly mantsy dia tsy mitondra hafatra ho hain’olona noforonina. Tsy ho afaka nanao izany izy, ary tsy ho tia nanao izany. Nahoana moa ? Satria tsy ny olona no ivon’ny Baiboly, fa Andriamanitra. Andriamanitra no manana ny toerana voalohany, ary mizotra any aminy ny zavatra rehetra. Atỳ aoriana vao tonga ny olona.
Ao amin’ny bokin’ny olona, dia ny olona no ivo. Ny teboka iaingan’ny fandinihana ara-pivavahana dia matetika mifamatotra amin’ny toejavatra ara-piarahamonina iainan’ny olona : fijaliana, fahantrana… Ny resahin’ny Baiboly voalohany indrindra dia ny momba ny tsara sy ny ratsy, ny fahamarinana, ary ny fitiavana.
Afaka fintinina toy izao ny fampianaran’ny Baiboly, manoloana ny zavamisy eo amin’ny fiainana :
— Andriamanitra dia talohan’ny zavatra rehetra, ambonin’ny zavatra rehetra ; Izy no Tompo avo indrindra, tsitoha sy marina, Ilay tsy hain’iza na iza fitahina.
— Andriamanitra dia „fitiavana”, manome ny fahasoavana, dia ilay zavatsoa tsy mendrika antsika, atolony noho ny maha Izy Azy, fa tsy noho ny maha isika antsika.
— Ny famonjena atolotr’Andriamanitra antsika dia feno, mahatonga antsika hanana fihavanana aminy, ao amin’ny fanahintsika sy ny saintsika, ary noho izany, ahafahantsika miaina misy fifandraisana aminy. Mianatra hahafantatra Azy isika, matetika ao anaty zava-tsarotra, mianatra hatoky Azy sy hanisa ny zavatsoa omeny.