Zoma 6 Oktobra 2023

(Hoy Jesosy :) Tomoera amiko, ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko. Jaona 15:4

 

Ho amina fiainana mirindra kokoa

Nandritra ny 9 taona dia nivarotra vaovao tamin’ireo sampandraharaha miafina rosiana ilay mpitsikilo amerikana Aldrich Ames, talohan’ny nahatratrarana azy. Nanontaniana izy, tany am-ponja, hoe ahoana no nahavitany nanome ny anarana mpitsikilo amerikana, nahatonga azy ireo hovonoina. Izao no valinteniny : „Fironana tato anatiko ny mampisaraka ireo fihetseham-poko sy ireo eritreritro ho ao anaty boaty roa samy hafa. Amin’izay aho dia misoroka tsy hisaintsaina ny momba izany”. Io lehilahy io dia nizara ny fiainany ho efitra roa tsy misy ifandraisany : mpikambana ao amin’ny sampandraharaha fitsikilovana amerikana ary mpiasan’ny rosiana.

Mety tsy ho tonga hatramin’izany isika, nefa mety hanana fiainana voazarazara ihany koa. Hidintsika ao anaty boaty kely ny faharesen-dahatra kristiana ao amintsika, ka tsy avelantsika hifandray amin’ny lafiny hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika. Kristiana isika ny alahady, ary miaina toy ny tsy manana finoana amin’ny andro enina manaraka.

Ny hery sy hatsaran’ny fiainana kristiana dia ny firindrany amin’ny finoantsika. Io fiainana io dia miorina avy amin’ny fifandraisako amin’Andriamanitra Ray, Izay fantatro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ny tokony hiainana dia fanokafana tanteraka ny maha isika antsika manontolo amin’ny Tompo Jesosy, mba ho Izy no ivon’ny fiainantsika manontolo. Ho amin’izany isika dia tsy maintsy mitoetra ao aminy, araka ny teniny, toy ny sampam-boaloboka mifatotra amin’ny foto-boaloboka. Ny sampana dia mandray ny tsiron-kazo mahavelona avy amin’ny fototra, ka mitombo sy mamoa. Ny hoe mitoetra ao amin’i Jesosy, izany, dia midika hoe miray aminy mba handray isanandro avy aminy, aina, fitiavana, fahadiovana, fiombonam-po, mbamin’ny hery hanehoana ireo !

„Tompo ô, ataovy mifikitra aminao amin’ny foko manontolo aho !”