Alakamisy 5 Oktobra 2023
Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany… Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany, teo ambonin’ny hazo. 1 Petera 2:21, 24
Maro ireo midera ny hatsaran’ny fiainan’i Kristy sy mankasitraka ny toe-panahy aman-tsaina kristiana, nefa mandà ny fiheverana hoe hafahana tamin’ny fahotany. Nefa ny ilain’ny tsirairay dia tsy fehezam-pitsipi-pitondrantena tsy akory, fa ny ho afaka amin’ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra ; tsy fanatsarana ny maha mpanota azy, fa fiainana vaovao. Ny sorona nataon’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana irery ihany no manarina ny toetrako, raha mino Azy aho. Nisy olona iray niteny hoe :
— Tsy tiako ny toriteninao, tsy tiako ny hazofijaliana. Aza ny fahafatesan’i Kristy no torina, fa aleo mitory Azy ho ohatra faka tahaka tokony harahina.
— Marina fa tsy misy ohatra faka tahaka tsara noho Izy. Nefa raha mitory an’i Kristy ho ohatra aho, ianao ve ho vonona hanaraka Azy ?
— Tena vonona aho.
— Eny àry. Koa izao no dingana voalohany ho an’izay te hanaraka ny diany : tsy nanana ota Izy…
— Hay ! Tsy afaka hihevitra ny tenako ho tsy manana ota aho, tsy maintsy miaiky aho fa mpanota.
— Ka tokony hanana an’i Kristy ho Mpamonjy aloha, izany, vao afaka hanana Azy ho ohatra faka tahaka harahina.
Io filaharana io no mifanaraka amin’ny fivoarana ara-dalàna eo amin’ny fiainana kristiana. Asehon’ny apostoly Paoly toy izao izany :
— Voalohany indrindra, Kristy Mpamonjy : „Fa fahasoavana no namonjena, anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.”
— Faharoa, Kristy ohatra faka tahaka : „Isika voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo”, mba hataontsika (Efesiana 2:8-10).