Zoma 7 Oktobra 2022
Hoy ny tompony taminy : Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin’ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be ; midira amin’ny fifalian’ny tomponao. Matio 25:21
Reraka i Marion izao hariva izao. Tsy vitany akory ny antsasak’izay tiany natao androany. Anikeheo maraina dia nisy namana iray kivy, niantso azy, nila niresaka taminy efa ho adiny iray. Avy eo dia nantsoin’ny tany an-tsekoly izy mba haka ny zanany iray. Tsy maintsy notsaboina ilay zaza, ka tsy afaka niantsena araka izay nokasainy izy. Ary ny asa tao an-trano dia tsy nisy vita.
Nefa rehefa namaky ireo filazantsara izy, dia nieritreritra. Jesosy dia niaina tetỳ an-tany, nanao isanandro isanandro ny zavatra nandrasan’ny Rainy taminy. Tsy mba nihevitra mihitsy Izy, nony hariva, hoe „tsy nahavita nanatanteraka ny lamin’asany”.
Takatr’i Marion fa ny zava-dehibe dia ny manao izay andrasan’ny Tompo aminy mandritra ny andro, fa tsy misy ankoatra izay. Mihaino tsara ilay namany iray kivy, mikarakara ny zanany lahikely : ireo no lamin’asa nomanin’ny Tompony hataony androany…
Ry kristiana, mihevitra isika indraindray fa tsy manam-potoana hanompoana ny Tompo. Nefa rehefa mifarana ny andro, inona moa no manan-danja ? Ny manamarika, eo amina lisitra nomaniko, izay zavatra rehetra vitako ve ? Sa ny mahafantatra fa nandritra ny andro aho dia nanao izay nomanin’ny Tompo hataoko ? Tokony hitaraina ve aho raha nisy zavatra nanakana ahy tsy hahavita tanteraka ny lamin’asako ?
Tsia ! Raha afaka mahazo ny fankasitrahan’ny Tompoko momba ny fandaharam-potoanako aho, rehefa hatory, tsy izay ve no tena ilaina ? Tsy hoe ny nahatanteraka „zavatra marobe” no zava-dehibe, fa ny nahavita izay nandrasan’ny Tompo tamiko androany.