Asabotsy 8 Oktobra 2022
Tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy. Ary gaga Izy noho ny tsy finoany. Marka 6:5, 6
Nony nahare izany Jesosy, dia gaga ka niteny tamin’izay nanaraka Azy hoe : … Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Israely aza. Matio 8:10
Indroa, ao amin’ireo filazantsara, no ahitana an’i Jesosy gaga manoloana ny halalin’ny tsy finoana na ny finoan’ireo nifanerasera taminy. Tsy hoe gaga Jesosy manoloana toejavatra tsy nampoizina ; tsia, satria Andriamanitra Izy ka mahafantatra mialoha ny zavatra rehetra.
Ny voalohany dia tany Nazareta, ilay tanàna nahalehibe Azy sy niasany amin’ny maha „mpandrafitra” Azy (Marka 6:3). Nefa raha vao nanomboka nitory ny Filazantsara tao Izy, dia hita fa tsy nisy nino mihitsy ny olona, hany ka gagan’izany ny Tompo. Mba tokony ho natoky Azy tokoa mantsy izy ireo, satria nahafantatra Azy ary nandinika ny fitondrantenany. Tsy ampy hahakasika ny fo anefa ny fitondrantena tsara…
Ny fanindroany dia tany Kapernaomy. Nisy kapiteny iray niantso an’i Jesosy mba hanasitrana ny iray amin’ny mpanompony, izay tena tiany. Nahatsapa ny halehiben’ny Tompo izy, ka nahatsiaro tena ho tsy mendrika handray Azy any an-tranony. Fantany koa fa ny fomban-drazana dia mandrara ny Jiosy tsy handroso any an-tranon’olona hafa firenena. Koa nanoso-kevitra an’i Jesosy izy mba hanasitrana ny mpanompony avy eny lavitra eny, amina teny. Nahagaga ny Tompontsika izany finoana tanteraka ny herin’ny tenin’i Jesosy izany, finoana hita tao amina olona hafa firenena, ka nasongadiny ampahibemaso.
Isika ihany koa, rehefa maniry hiresaka momba ny Tompo, dia mety ho gaga noho ny tsy finoan’ireo olona izay toa tokony ho vonona handray ny Filazantsara, raha jerena etỳ ivelany ; na koa ny mifanohitra amin’izany, noho ny finoan’olona hafa izay ao anaty toejavatra tsy manosika azy hino.
Nefa toy ny nataon’ny Tompo, dia ndao hanambara hatrany ny Filazantsara, amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka.