Alakamisy 6 Oktobra 2022

Aseho ho epistilin’i Kristy… ianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo. 2 Korintiana 3:3

 

Ny epistilin’i Kristy

Ilay mpitoriteny Alexander MacLaren (1826-1910) dia nanoratra hoe : „Ny fiheveran’izao tontolo izao an’Andriamanitra dia mifototra indrindra amin’izay hitany eo amin’ireo mitonon-tena ho anisan’ny ankohonan’Andriamanitra. Ny olona dia mamaky antsika betsaka lavitra noho ny famakiany ny Baiboly. Hitan’izy ireny isika, fa raha ny momba an’i Jesosy Kristy, dia resaka fotsiny no mba henony.”

Izany fanambarana izany dia tokony hanaitra ny kristiana tsirairay. Raha lazaina amin’ny teny hafa izany, dia mampahatsiahy antsika ny nolazain’ny apostoly Paoly ao amin’ny andinin-tSoratra Masina androany. Andriamanitra dia tsy mangataka antsika hitondra ny epistilin’i (taratasin’i) Kristy eo amin’izao tontolo izao, fa ny ho izany epistily (taratasy) izany ! Ny taratasy mantsy dia tsy inona fa ravin-taratasy ihany, fa ny mahaliana aminy dia izay voasoratra ao.

Iza no manoratra ny pejy tsirairay eo amin’ny fiainantsika ? Raha mitandrina isika mba hamela ny Fanahy Masina hitarika ireo asantsika sy ny fitondrantenantsika, dia haneho ireo toetran’i Jesosy : fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po, fahitsiana, toetra mahatoky… (Galatiana 5:22, 23 ; Efesiana 5:9).

Isaky ny mifarana ny andro iray, dia ndao hametraka ny fanontaniana hoe : androany ve ny ankohonako, ny mpiara-monina amiko, ny mpiara-miasa amiko mba nahita ny Tompo Jesosy velona teo amin’ny fiainako (Galatiana 2:20) ? Mitondra ny soniany ve ny pejy avadiko izao hariva izao ? Ndao tokoa hitory ny Filazantsara, nefa indrindra, ndao hiaina azy !