Alarobia 5 Oktobra 2022

(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria… ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39

Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany. Ohabolana 10:22

 

Manankarena nefa tsy mahafantatra izany akory

Tamin’ny fotoanan’ny fitotonganana ara-toekarena tany Etazonia (1930), dia nisy mpamboly tsotra iray nanana tany midadasika tao andrefan’i Texas. Niaina tao anaty fahantrana izy, niady mba hamelomany ny ankohonany. Nisy orinasa mpitrandraka solitany anefa, nangata-dalana taminy mba hanao fitrandrahana teo amin’ny taniny. Nihevitra izy fa tsy hisy fatiantoka ho azy izany, ka nomeny ny lalana. Mbola tsy nandavaka lalina akory ny mpitrandraka, dia tojo ny tahirin-tsolika lehibe indrindra hita tany Amerika avaratra. Afaka mamokatra solika maherin’ny 80.000 barika isanandro ilay toerana. Tao anatin’ny fotoana fohy io mpamboly io dia nanjary mpanankarem-be ! Raha ny marina dia efa izany izy, hatramin’ny andro nividianany io taniny io. Efa tao ny solika, saingy tsy fantany fotsiny.

Izany dia mampahatsiaro antsika ireo olona manana Baiboly ao an-tranony, nefa mbola tsy namaky azy mihitsy. Manana harena be hampahafantarina antsika ny Tenin’Andriamanitra. Io dia ilay hafatra mitondra fitiavana sy fahamarinana, avy amin’Ilay Mpahary antsika. „Velona sy mahery” izy io, ary miasa ao anatintsika, raha vakintsika sy raisintsika araka ny namaritan’i Jesosy azy hoe : „Ny Teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). Isika ve dia hatahotra ny fiovana lalina tiany hateraka ao am-pontsika sy ao amin’ny fieritreretantsika ? Amin’ny alalany Andriamanitra dia te hampahafantatra antsika ny fahasoavany sy ny hamoram-panahiny ao amin’i Jesosy, ary te hanome antsika ny fiainana mandrakizay.

Tsy nisalasala ilay mpamboly. Aza misalasala isika rehefa miteny amintsika tsirairay Andriamanitra hoe : „Mifidiana ny fiainana !” Tsy misy harena lehibe mihoatra noho izany.

Ny Baiboly dia boky tsy manam-paharoa ; ny hafatra entiny dia milaza famelan-keloka sy fanafahana, ary manova ny maha olona manontolo.