Talata 4 Oktobra 2022
Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy ianareo rehetra. Efesiana 4:25
„Tsy mora ny milaza ny marina, nefa manafaka mandrakariva izany”, hoy ny mpisolovava-na olo-meloka iray niaiky rehefa nandà nandritra ny volana maro. Ny fieritreretana dia vahiny manelingelina mandrakariva, rehefa manan-javatra mandiso ny tenantsika isika. Ampijaliny isika, tsy manan-tsafidy, omeny tsiny noho ireo zavatra natao na noeritreretina, izay asehony antsika hoe ratsy. Ny dingana voalohany ho amin’ny fitoniana dia ny miaiky ny zava-nisy, raha azo atao mivantana amin’ireo olona voakasik’izany. Raha nentina teo anoloan’ny fitsaran’ny olombelona ny toejavatra, dia mety hanamaivana antsika ihany koa izany.
Nefa ny manafaka tanteraka ny fieritreretana dia ny miaiky izany eo anatrehan’Ilay Mpitsara marina, dia Andriamanitra. Manoloana ny fitsaran’olombelona, dia tsy maintsy hanaiky ny didim-pitsarana. Eo anatrehan’Andriamanitra kosa, dia lazain’ny Baiboly antsika fa „raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9).
Ahoana moa no hahafahan’Andriamanitra ho marina sady hamela ny fahadisoana iekena aminy ? Ny fahadisoana iray dia mahatonga fitsarana sy didim-pitsarana tandrify. Mba hahafahan’Andriamanitra mamela olo-meloka, dia nampihariny tamin’i Jesosy Kristy Zanany, teo amin’ny hazofijaliana, ny famaizana ny fahotan’izy ireo. Jesosy no niaritra ny didim-pitsarana sahaza ireo fahotantsika. Rehefa miaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra, dia manaiky ny marina momba ny toetrantsika. Dia afaka mino ny Tompo Jesosy isika. Manafaka antsika amin’ny fahamelohantsika izany. Ary tsy izany ihany, fa isika dia omen’Andriamanitra toetra vaovao tsy manaiky hoteren’ny ratsy intsony. Afaka amin’ny fanandevozan’ny ota io toetra vaovao io. Manana fahalalahana hanao soa izy, sy fahaiza-manatanteraka izany, manomboka hatreo.