Alatsinainy 3 Oktobra 2022
Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin’ny lavaka fahalevonana ; fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra. Isaia 38:17
Ny Baiboly dia mitantara mpino maro nahatsapa fangidiana nandritra ny fiainany. Asehony koa ny fomba nanasitranan’Andriamanitra azy ireny :
— Naomy (Rota 1) dia niara-niaina tany Israely tamin’ny vadiny sy ireo zanany roa lahy, kanjo nitranga ny mosary. Mba handosirana izany, dia nandao ny fireneny izy ireo ary lasa nonina tany Moaba. Maty tany anefa ny vadin’i Naomy sy ny zanany mirahalahy, izay nanambady mponina tany Moaba. Izy irery sisa no tany an-tanin’olona tany, tsy nanan-kianteherana. Nony henony fa nitsahatra ny mosary tany Israely, dia niainga izy mba hody any. Rota, iray tamin’ireo vinantovaviny, dia tia an’i Naomy, ary tia ny fireneny sy ny Andriamaniny koa. Nisisika hanaraka azy hatrany Betlehema izy. Rehefa niditra tao an-tanàna izy ireo, dia faly ny olona nahatadidy an’i Naomy. Nilaza izy mba tsy hantsoina intsony hoe Naomy („Mahafinaritra”), fa hoe Mara („Mangidy”). Tsapany ny zavatra veriny noho izy nandao ny fireneny sy ny taniny. Nanome lamosina an’Andriamanitra izy, fa ny famindrampon’Andriamanitra kosa nanomana lalan-kivoahana mahafaly ho azy. Rota, izay niraiki-po hatrany tamin’ny rafozany, dia nandeha nitsimpona salohim-bary, ho sakafon’izy ireo, tany an-tsaha-na lehilahy manankarena antsoina hoe Boaza. Nofoanan’Andriamanitra ny sakana rehetra noho ny laharana ara-piarahamonina nisy an’i Boaza, izay nomaniny ny fony mba hanambady an’i Rota.
Nositranin’Andriamanitra ny fangidian’i Naomy, ka nionona izy. Hanjary razamben’i Davida mpanjaka izy, amin’ny alalan’i Rota. Maneho ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra ny fikarakarany feno fangorahana izay miverina aminy, rehefa avy nanalavitra Azy.
(amin’ny heriny ny tohiny)