Alahady 2 Oktobra 2022

Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana ; tsarovy ny teny izay nataony taminareo… hoe : Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana, ary hitsangana amin’ny andro fahatelo. Lioka 24:5-7

 

Toy ny kotro-baratra

Nisy zava-nitranga iray, tokony ho 1990 taona lasa izay, notantarain’olona maro antsika. Mazava ho azy fa anisan’ireo ry Matio, Marka, Lioka ary Jaona, mpanoratra ireo filazantsara, mpiara-belona tamin’ny fotoana nitrangan’ny toejavatra, ary eo koa ry Flavius Josèphe, Justin, Irénée, Origène sy ny hafa maro taorianan’izy ireo. Tokony ho tamin’ny taona 30 amin’izao vanimpotoana iainantsika izao, indray alahady maraina, dia foana ny fasan’olona iray nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, fasana nambenana miaramila maromaro ! Natao avokoa ny fitandremana rehetra mba tsy hanatonana ilay fasana, nefa dia tsy nisy na inona na inona nahasakana tsy hahafoana azy. Tsy maintsy nekena ny zavamisy : tsy tao intsony ny vatan’i Jesosy ! Tsy hita na aiza na aiza intsony ilay izy, satria velona Jesosy, mpino an-jatony no nahita Azy indray.

Nefa dia toa hadino izany zava-nitranga tsy hay hazavaina izany. Marina fa fety maro no ankalazaina eo amin’ny tontolo kristiana, saingy firy ny olona tena mino fa nitsangana ho velona indray Jesosy ? Ny fitsanganan-ko velona indray anefa dia marika avy amin’Andriamanitra, zava-dehibe fototra ho an’ny finoana. Takatsika ve ny dikany ? Ny nananganan’Andriamanitra an’i Jesosy ho velona indray dia mampiseho fa nankasitrahiny tanteraka ny tenany sy ny asany. Manome antoka ny olona rehetra izany fa ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana dia nahafeno tanteraka ny fepetra takin’ny fahamarinan’Andriamanitra, ary nanomboka hatreo, izay mino fa maty noho ireo fahadisoany Jesosy, dia mahazo ny famelan-keloka avy aminy, miaraka amin’ny fiainana mandrakizay.

Niteny Andriamanitra, hisy handre ve Izy ? Ndao hihaino ny feony. „Isika… mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty, Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:24, 25).