Asabotsy 1 Oktobra 2022

Ny fitiavana, mahari-po sady mora fanahy… tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy… tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana, fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa. 1 Korintiana 13:4-6

 

Teny fanajana fotsiny ve ?

Ny apostoly Jaona dia nanomboka ny taratasiny ho an’i Gaio tamin’ny teny hoe : „Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany” (3 Jaona 2).

Eo amin’ny fiainana andavanandro dia mitana toerana lehibe ny fiheverana ny fahasalamana sy ny asa aman-draharaha. Indrindra rehefa miandoha ny taona, dia tsy miresaka aman’olona raha tsy manontany azy hoe manao ahoana ny fahasalamany. Haka fotoana hahafantarana ireo zava-manahirana azy, ary hihaino azy mitantara izany. Toy izany koa no ataon’ny apostoly, an-kitsimpo, nefa avy eo dia zava-dehibe lavitra noho izany no noresahiny avy hatrany, dia ny toetran’ny fanahin’ilay namany. Nahare tokoa mantsy izy fa „mandeha araka ny fahamarinana” i Gaio ary „ambinina ny fanahiny”.

Ireo teny fanajana raikitra dia mety hanafina tsy firaharahana be ! Ndao hiraharaha marina ireo izay iresahantsika, fa tsy hianina fotsiny amina resadresaka momba ny fahasalamany na ny an’ny fianakaviany. Ndao koa hihevitra ny toetran’ny fanahiny. Tao anaty fahoriana lalina i Davida mpanjaka, indray andro, no nanoratra hoe : „Tsy misy olona… miahy (miraharaha) ny fanahiko” (Salamo 142:4). Angamba ireo olona miresaka amintsika, miandry ny hiheverantsika ny fanahiny ; aza avelantsika handalo fotsiny ny fotoana fanararaotra.

Ary zava-dehibe koa izany, ho an’ireo rahalahintsika ao amin’ny finoana. Aza saro-kenatra isika, fa ndao ho sahy hifanakalo hevitra momba ny toetran’ny fanahy sy fontsika. Azo antoka fa ho fotoana fanararaotra izany, mba hampaherezana (hampiononana) antsika „amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy” (Romana 1:12).