Zoma 30 Septambra 2022
Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka. 1 Tesaloniana 4:16, 17
„Nobeazina tao anaty fianakaviana mpino aho ; dieny mbola kely aho dia nampahafantarina ny Tenin’Andriamanitra, ny tenan’i Jesosy Kristy sy ny fampianarany. Rehefa tokony ho 9 taona aho dia nomen’ny Fanahy Masina ny faharesen-dahatra fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra. Nampisaina lalina ahy ny famakiana isanandro ny Baiboly teo anivon’ny fianakaviako, ary tena tsy nampahazo aina ny fieritreretako, indraindray. Koa nambarako tamin’ny raiko ny fijaliako, ireo tahotro, ary notoroiny hevitra aho hivavaka sy hatoky an’Andriamanitra.
Indray andro, tamin’ny fiandohan’ny fararano dia nipetraka irery teo amin’ny rindrina kelin’ny zaridainanay aho, novesaran’ireo eritreritro mampalahelo. Tampoka teo dia nisy feo mahery nanako tany an-dohasaha. Tahotra toy inona moa ny ahy ! Nihevitra aho fa nahare ny feo fibaikoan’ny Tompo tonga haka ny mpino. Izaho anefa dia mbola teo ihany ! Dia zavatra tokana sisa no tao an-tsaiko : very mandrakizay aho ! Kanjo nivoha ny varavaran’ny zaridaina, ary nipoitra teo ny raiko ; azoko ny aiko ! Mbola tsy tonga ny Tompo… Mbola tsy tara ny hahazoako famonjena. Nanontaniako izy, hoe inona ilay feo heno teo : hay fiara mpanangona fitaovana tsy ilaina no nitabataba mafy nampandre ny fahatongavany. Ny fieritreretako feno tahotra no nampifangaro ny feo fibaikoan’ny Tompo tamina feo efa fantatra tsara tamin’izany fotoana izany.
Tatỳ aoriana kely, ny 23 janoary dia nifoha aho ny maraina, nahazo antoka hoe voavonjy ! Napetrak’Andriamanitra tato anatiko ny faharesen-dahatra fa tia ahy Izy ary namonjy ahy, tamin’ny nanomezany ny Zanany, mba hananako ny fiainana mandrakizay. Efa mihoatra ny 64 taona lasa izay, ary nanomboka tamin’izay dia miandry ny antsony tsy amin-tahotra aho.”
David