Alakamisy 29 Septambra 2022
Ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin’ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny ; fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:24, 25
„Ny ravina mihintsana dia mibitsibitsika zavatra amin’ny velona”, hoy ny ohabolana rosiana iray. Rehefa hitantsika manomboka mihamavo tokoa mantsy ny ravinkazo, avy eo mihintsana, mihodinkodina, ary mianjera moramora amin’ny tany, tsy fambara fahafatesana ve no tsapantsika amin’izany ?
Ny fihintsanan’ny ravina dia mampahatsiaro ny maha voafetra ny fiainantsika, sy ny zava-dratsy rehetra miaraka amin’izany. Izany dia mampahatsiahy ny zavatra mihelina, ary noho izany, ny maha tsy misy dikany ny zavatra rehetra, satria inona tokoa moa no dikan’izay zavatra tsy haharitra akory ? Ary ahoana no hampiononana ny tena, rehefa ny anjaran’ny ravinkazo ihany no mba hany anjarantsika ? „Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona ; tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa… Fa ny famindrampon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, amin’izay matahotra Azy… dia amin’izay mitandrina ny fanekeny” (Salamo 103:15-18). Hay izany misy fampanantenana fiainana ! Ilay Mpahary antsika dia mitoetra, tsy voafetran’ny fotoana, ary tia antsika amina fitiavana tsy misy fetra. Izany dia manome antsika fanantenana indray, manome dikany ny fiainana, manome herim-po.
Aoka isika tsy hiandry lohataona vaovao, vao ho velombelona indray ! Ndao hiato mba hieritreritra an’Andriamanitra, hiaiky fa manan-jo amintsika Izy. Ndao hangataka Azy am-pahatsorana sy an-kitsimpo mba hanampy antsika hino izay lazainy antsika, hino fa ny fitiavany dia mahery noho ny fahafatesana, vokatr’ireo fahotantsika. Anio isika dia afaka mandray ny famelana ireo fahadisoantsika sy miaina fiainam-baovao. Jesosy Kristy, Ilay mpandresy lehibe, nandresy ny fahafatesana, dia te hanome antsika io fiainana io, raha manapa-kevitra hitoky aminy isika. Isika tsirairay koa ve mba te handray izany fanapahan-kevitra izany ? Satria, na inona na inona fizaran-taona, ny miaina miaraka amin’i Jesosy dia tena fahavelomana indray !