Alarobia 28 Septambra 2022
(Hoy Jesosy :) Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohaina ianareo. Lioka 11:9
„Nihalehibe tao anaty fandrenesana resaka momba an’Andriamanitra aho, nandeha tany am-piangonana niaraka tamin’ny ray aman-dreniko, nefa tsy tena nahafantatra an’Andriamanitra. Nihevitra ny tenako ho tsara aho, nefa dia nanao zavatra mahamenatra ahy ankehitriny. Rehefa 15 taona aho dia nanomboka tonga saina tamin’izay zavatra tsy nilamina teo amin’ny fiainako. Nasehon’Andriamanitra ahy tamin-kamoram-panahy izany.
Koa niezaka aho nanatsara ny tenako, nefa vao mainka niharatsy. Arakaraka ny niezahako hiova no nampilentika ahy kokoa tao anatin’ny ratsy, ary tsy afaka nanoatra aho. Indray hariva aho dia naniry handeha any am-piangonana, tsy hoe hanaraka ny ray aman-dreniko, fa mba hihaona amin’Andriamanitra. Tena vaovao tanteraka tamiko io faniriana hihaino an’Andriamanitra io. Rehefa tafaverina tany an-trano aho, dia niditra tao an’efitranoko ary nanomboka niantsoantso an’Andriamanitra. Tsy nahay nivavaka aho, mbola tsy nanao izany mihitsy. Ny hany nataoko dia namerimberina hoe : „Miala tsiny aho ! azafady e ! …”
Teo aho, nitomany teo anatrehan’ny Tompo. Nahagaga fa tamin’io alina io dia tsapako nanatrika ahy teo ny hamoram-pony, ny fitiavany. Nanota tamin’Ilay Andriamanitra mora fo aho, tamin’Ilay Andriamanitra masina. Tia ahy io Andriamanitra io, nanadio ahy tamin’izany ratsy izany, tamin’izany fihatsarambelatsihy niainako izany.
Niova ho ranomasom-pifaliana ny ranomasoko vokatry ny fangirifiriana sy nenina. Tia ahy Andriamanitra. Kely ihany no mba fantatro momba ny finoana, saingy fantatro fa Jesosy no Mpamonjiko. Fahatsiarovana iray koa, nilaza tamin’ny Tompo aho hoe : „Raiso ny fiainako, fa tsy tiako hohazonina ho ahy, tiako ho anao”. Fahafoizan-tena izany, nefa fahafoizan-tena mahatretrika.”
Araka an’i John Dees