Talata 27 Septambra 2022
Ary ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza, dia niantso an’i Hagara Ilay Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra, ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’ny itoerany. Genesisy 21:17
Tena loza ny toerana nisy an’i Hagara. Vao noroahin’ny rain-janany izy ka nirenireny tany an-taniefitra. Rehefa lany ny tahirin-dranony, dia tsy nisy azony natao intsony afa-tsy ny niandry fahafatesana. Napetrany teo ambany kirihitra ny zanany kely, dia nanalavitra izy mba tsy hahita azy ho faty. Nefa ren’i Jehovah ny feon’ilay zaza ! Nangoraka ilay zazalahy kely sy ny reniny Izy, ka nanoro azy loharano, ary namonjy azy mianaka tsy hiharan’ny fahafatesana.
Tsy niova Andriamanitra, ka liana mandrakariva amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ireo ankizy mbola kely, ary mahare ny tomaniny. Firifiry amin’izy ireny moa no maty isanandro, eto amin’izao tontolo izao, noho ny sakafo tsizarizary, kapoka, aretina, na koa tsy fahampiana fitiavana sy fikarakarana fotsiny izao ! Azo antoka ny fampanantenan’Andriamanitra momba azy ireny : raisiny any am-paradisa any an-danitra avokoa izy ireny ! Indray andro Jesosy dia tezitra tamin’ny mpianany, izay nandrara olona tsy hitondra ankizy ho eo aminy. Hoy Izy tamin’izy ireo : „Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna ; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra” (Marka 10:14). Tamina tranga iray hafa dia nametraka ankizy kely iray teo afovoan’ny mpianatra Izy ary nanao hoe : „Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very” (Matio 18:11).
Angamba ianao rehefa mamaky io teny ao amin’ny Genesisy io, dia mahita ny tenanao ao amin’io reny namoy fo io. Anio Andriamanitra dia mampita hafatra mitory fanantenana aminao. Afaka mamoaka sy te hamoaka anareo tao amin’ny lalan-tampina Izy, satria tia anareo, dia ianao sy ny zanakao.