Alatsinainy 26 Septambra 2022

Ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka. Matio 9:6

Amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy (Jesosy) famelan-keloka. Asan’ny Apostoly 10:43

 

Andriamanitry ny famelan-keloka

Jacques II, mpanjakan’i Angletera tamin’ny taonjato faha-17, dia andriamanjaka nanjakazaka. Voaongana izy ka voatery nandositra tany Frantsa, ary maty tao amin’ny lapabe tao Saint-Germain-en-Laye, tamin’ny taona 1701. Hoy izy, indray andro, tamina manamboninahitra iray nikomy taminy :

— Andriamatoa Aylasse, fantatrao fa manana fahefana aho hamela heloka anao.

— Eny, hoy ilay manamboninahitra namaly, fantatro fa manana izany fahefana izany ianao, saingy fantatro koa fa tsy toetranao izany.

Marina tokoa fa tsy mba toetrantsika ara-pahariana ny mamela heloka ; fa Izy Andriamanitra kosa dia mamela heloka. Manamafy izany ny Baiboly : „Andriamanitry ny famelan-keloka Ianao, ka miantra sy mamindra fo” (Nehemia 9:17), ary koa hoe : „Andriamanitsika… hamela heloka dia hamela heloka tokoa” (Isaia 55:7).

Nefa manamafy koa ny Baiboly fa ny fibebahana no fepetra hahazoana famelan-keloka. Tsy misy olona mendrika hahazo ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Omena antsika ny famelan-keloka, izay fahasoavana azo noho ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Koa „raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika” (1 Jaona 1:9).

Raha miaiky aho fa mpanota, dia mamonjy ahy tanteraka ny finoana an’i Jesosy sy ny sorona nataony. „… Sitrak’Andriamanitra [ny] hamonjeny izay mino” (1 Korintiana 1:21).

Araka izany, Andriamanitra no nanao ny lalana manontolo, hanatonany ahy. Ny sisa hany anjarako dia dingana tokana hanatonako Azy, dia ny dingan’ny finoana, izany hoe mino Azy. Koa nahoana no tsy atao izao ankehitriny izao ?