Alahady 25 Septambra 2022
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy. Fa hoy ny Jiosy : Enina amby efapolo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana ? Fa ny tenany no tempoly nolazainy. Jaona 2:19-21
Vao avy nandroaka ireo mpivarotra biby sy mpanakalo vola nameno ny tempolin’i Jerosalema i Jesosy. Tsy faly ireo Jiosy, ka nangataka Azy hanao famantarana, hanamarinany ny zavatra nataony. Valinteny mahagaga no nomen’i Jesosy, hoe : „Ravao ity tempoly ity, ary amin’ny hateloana dia hatsangako indray izy”. Teny faminaniana io, manambara mialoha ny hahafatesany sy ny hitsanganany ho velona indray.
„Fa ny tenany no tempoly nolazainy”, hoy ny fanazavan’ny mpanoratra ny filazantsara. Mitarika antsika Jesosy hijery mihoatra lavitra noho izay trano fivavahana. Satria „Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana” (Asan’ny Apostoly 17:24). Nefa tonga kosa Andriamanitra, nonina teo anivon’ny olombelona, tao amin’i Jesosy, Ilay Zanany, Izay naka vatana toy ny antsika ho amin’izany. Izy no tena tempolin’Andriamanitra. „Fa ao amin’ny tenany (ny tenan’i Jesosy Kristy) no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra” (Kolosiana 2:9).
Dia takatra ny valinteniny : misy tokoa ve mantsy famantarana lehibe kokoa azony naseho, mihoatra noho ny fitsanganany tamin’ny maty ? Ny fahafatesana no ilay fanontaniana lehibe sy mampihorohoro indrindra, mipetraka amin’ny olona tsirairay. Fa ny fitsanganan’i Jesosy ho velona kosa no mamaha io olana io, ary izany no porofo faratampony maneho ny fahefany.