Asabotsy 24 Septambra 2022

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

 

Novolavolain’ny tanan’Andriamanitra

Ny teny etsy ambony, nalaina tao amin’ny Baiboly, dia manasa ny kristiana hihevitra ny „zavatra rehetra” ho mahasoa azy, na ny tsy mahafinaritra na ny mahafinaritra. Ilain’Andriamanitra avokoa ny trangan-javatra eo amin’ny fiainan’izy ireo, mba hampitomboany azy ireo amin’ny finoana. Tsy vitan’ny hoe mifarimbona ireo tranga ireo hitondra soa ho amin’ny farany, fa manatanteraka asa ihany koa, araka ny hevitry ny matoanteny fototra ; avela hiseho ireo tranga ireo mba hamolavola ny kristiana.

Eo ambany fifehezan’Andriamanitra ireo tranga ireo, tarihin’ny tanany, ary mampangirifiry indraindray : aretina, fahafatesana, loza tampoka, fahaverezan’asa… Io tanana tsy hita maso io, mamela azy ireo hitranga sy mandanjalanja azy ireo, dia ny tanan’Ilay Andriamanitra fitiavana, Ilay Andriamanitra hendry, Izay manana drafitra ho an’ny fiainantsika. Ireo toejavatra mahakasika antsika tokoa mantsy dia tsy vokatry ny kisendrasendra, na vintan-dratsy, na anjara. Ireo toejavatra ireo dia tarihin’ny tanan’Ilay Andriamanitra mahalala izay ataony sy izay ilaintsika ; ary ataony amin’ny fomba lavorary izany.

Inona àry no tanjon’io asan’Andriamanitra io ? Ny hahatonga ny zanany tsirairay „hitovy endrika amin’ny Zanany” (Romana 8:29). Tiany ho eo amin’izy ireo koa ny faharipo, fandavantena, fankatoavana an’Andriamanitra, fahalemem-panahy… ; izany hoe, sasantsasany amin’ireo halavorary ara-toe-panahy ananan’i Jesosy Kristy. Toy ny mpanao sary sokitra manana môdely tsara eo anatrehany Andriamanitra, raha azo lazaina toy izany, no mandray ny mpino amin’ny toetrany mbola tsy voapaika, ka amina fanamboarana misesisesy dia manala kely etsy sy eroa amin’ilay „izaho” : hambo, eboebo, sitrapo manokana, tsy faharetana, hamafisam-po… Izany rehetra izany dia mba hiainana tsaratsara kokoa an’i Jesosy sy hahitana Azy bebe kokoa ao amin’ny olony tsirairay.