Zoma 23 Septambra 2022

Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe : Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy, tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina. Jaona 8:12

… mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga. 1 Petera 2:9

 

Jamba sa mahiratra ?

Tsara vakina : Jaona 9

Jesosy dia nanasitrana jamba iray, ary nanambara fa tonga Izy „mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra”. Izany teny izany no nolazainy teo anatrehana mpitarika ara-pivavahana nihambo ho mahiratra, nefa jamba momba ny lohahevitra maro. Nampangain’izy ireo ho „tena teraka tamin’ny ota” ilay jamba, satria voan’io kilema io hatramin’ny nahaterahany. Nasehon’i Jesosy azy ireo fa Izy, Ilay fahazavan’izao tontolo izao, dia manana ny fahefana hanasitrana azy. Nefa ireo mpitondra fivavahana ireo dia nijanona tao anatin’ny „haizina” nisy azy ireo, ka nandà tsy hiaiky ny fanafahana ilay jamba sy ny herin’i Jesosy.

Ilay jamba kosa dia nihaino ny tenin’i Jesosy. Nino izany izy, ka sitrana ara-batana sy ara-panahy. Hitan’i Jesosy indray izy avy eo, ka nilazany hoe : „Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ? Ralehilahy namaly ka nanao hoe : Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy ? Hoy Jesosy taminy : Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. Ary hoy izy : Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.”

Ireo Fariseo nandroaka ilay jamba dia mampahatsiaro ny olona tsy te hanana an’Andriamanitra, ka mandamina ny fiainany tsy misy Azy. Ankehitriny, satria hoe tsy tokony hifampiditra ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana, dia soridalana maro ara-pitondrantena avy ao amin’ny Baiboly no lavina. Mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny hevitra arovana momba ny zavatra maro (fanambadiana, ankohonana, fanafohezana ny andro iainana…), ary manjary lazaina fa ny ratsy dia tsara ary ny tsara dia ratsy (Isaia 5:20). „Ny Teninao no fahamarinana”, hoy Jesosy. Izy no tena fahazavana, te hanazava ny olona rehetra sy hanome azy ny fiainana mandrakizay.