Alakamisy 22 Septambra 2022
Niara-nandeha tamin’Andriamanitra Enoka ; ka tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra. Genesisy 5:24
Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana ; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra ; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahin’Andriamanitra izy. Hebreo 11:5
Olona miavaka raha i Enoka, ilay patriarka talohan’ny safodrano ! Ny nahafantarana azy indrindra dia izy naningana tamin’ny lalàna iraisan’ny olombelona rehetra momba ny fahafatesana. Ny tantaram-piainan’ny tsirairay amin’ny razany sy ny taranany dia nifarana hatrany amin’ny teny mampalahelo hoe : „Dia maty izy.” Fa ny azy kosa : „Tsy hita izy, fa nentin’Andriamanitra” !
Enoka dia „niara-nandeha” tamin’Andriamanitra, ary tamin’izany izy dia „nankasitrahin’Andriamanitra”. Ny fitondrantenany, na dia tsy voamarika toejavatra miavaka aza, dia nankasitrahin’Andriamanitra.
Fanampin’izany, nanana tsiambaratelo i Enoka. Ny anarany mihitsy aza, amin’ny teny hebreo, dia azo adika hoe : nomena fahalalana, nampianarina. Nasehon’Andriamanitra azy ny zavatra hataony, dia ny handefa safodrano eo amina tontolo feno tsy finoana an’Andriamanitra. Any amin’ny faran’ny Baiboly, ny apostoly Joda dia mitatitra ny faminaniana nataon’i Enoka, faminaniana mampiseho ny zavatra fantany sy ny zavatra nibaiko ny fitondrantenany (Joda 14, 15). Efa antomotra ny hanamelohana ny tontolo nitoerany. Noho izany dia mpivahiny izy tetỳ an-tany.
Ankehitriny, satria kristiana isika, dia mpivahiny koa. Nampianarin’Andriamanitra tamin’ny Teniny isika, momba ny hoavin’izao tontolo izao sy ny hoavintsika, ka miandry ny hiveranan’ny Tompo Jesosy haka ny olony. Mety ho tonga anio Izy : ka tsy handalo fahafatesana ireo nandray Azy ho Mpamonjiny. Hovaina tampoka izy ireo, ary hakarina hitsena ny Tompo eny amin’ny rahon’ny lanitra, miaraka amin’ireo mpino tsy tambo isaina natsangana ho velona indray (1 Tesaloniana 4:16, 17). Mba izany koa ve ny tsiambaratelo sy fanantenan’ny tsirairay amintsika mpamaky ?