Alarobia 21 Septambra 2022

Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana, ka mahalala izay mialoka aminy. Nahoma 1:7

Ny Tompo mahalala ny azy. 2 Timoty 2:19

 

Tsy manam-paharoa eo imasony

Ny mpanjakavavin’i Angletera dia nitokana sekoly vaovao teo anatrehana solontena maron’ireo ho mpianatra ao, manao fanamiana. Rehefa tapitra ny lanonana dia nitomany mafy ity zazavavy kely iray.

— Inona no mahazo anao ? hoy ramatoa mpampianatra, tsy nahita ny mpanjaka angaha ianao ?

— Nahita aho ka, fa ny mpanjaka tsy nahita ahy !

Mazava ho azy fa tsy vitan’ny mpanjaka ny hahamarika ny ankizy tsirairay ao anatin’ny vahoaka maro. Ary tsy takatr’ilay zazavavy izany, noho izy mbola kely.

Amin’izao vanimpotoanan’ny kajimirindra (informatika) izao, dia matetika isika no mahatsapa ho toy ny laharan’isa fotsiny, tsy misy mahafantatra, ao anatina lisitra. Dia mihevitra avy hatrany isika fa toy ny tsy misy, amin’ny olona rehetra, satria toa tsy misy olona liana amintsika. Diso izany. Misy, any, mahafantatra hoe iza moa aho, mahalala ny anarako, ary mahare na dia ny sentoko kely indrindra aza. Andriamanitra izany, Ilay nahary antsika. Nahafantatra izany tsara i Davida mpanjaka, ka nilaza hoe : „Ianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako, sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny… Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra. Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô” (Salamo 139:2-4).

Ny Tompo Jesosy, Ilay Mpiandry tsara, dia miantso ny ondriny tsirairay amin’ny anarany (Jaona 10:3). Tsy manam-paharoa eo imasony ny ondry tsirairay. Ndao hihaino ny feony milaza amintsika hoe : „Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao… Tsy hohadinoiko ianao… koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.” (Isaia 43:1 ; 44:21, 22).