Talata 20 Septambra 2022

Araka izany koa no ilazan’i Davida fa sambatra ny olona izay isain’Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ny asa, hoe : „Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy isain’i Jehovah heloka”. Romana 4:6-8

 

Ahoana no haha marina eo anatrehan’Andriamanitra ?

Fahiny ny patriarka Joba dia nametraka fanontaniana lehibe fototra hoe : „Aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra ?” (Joba 9:2). Mpino maro ao amin’ny Testamenta Taloha no nametraka izany fanontaniana izany koa, saingy tsy nahita valiny. Andriamanitra dia nanome lalàna, nisy didy hotandremana, ho an’ny vahoakany : „Ataovy izany, dia ho velona ianao” (Lioka 10:28). Nefa tsy nisy olona, na iray aza, nahatandrina io lalàna io. Ny lalàna dia tsy nanao afa-tsy ny nanaporofo fa tsy vitan’ny olona amin’ny ezaka ataony ny tsy hanan-tsiny eo imason’Andriamanitra.

Nefa noho ny asa notanterahin’i Jesosy, dia mamaly ny fanontanian’i Joba ny Testamenta Vaovao :

— „Izay rehetra mino… [dia] hamarinina (atao manjary marina) maimaimpoana amin’ny fahasoavany” (Romana 3:22, 24)

— „Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1)

— „Nohamarinina tamin’ny rany isika” (Romana 5:9).

Ireo fanambarana ireo dia mampiseho ny fomba hahafahan’ny olona hohamarinina, izany hoe hambaran’Andriamanitra mihitsy hoe marina :

— Nohamarinina maimaimpoana isika : tsy vidina ny fahamarinana atolotr’Andriamanitra ! Ary ny fahasoavana no antony anaovan’Andriamanitra izany amin’ny olona tsy mendrika afa-tsy ny fanamelohany.

— Ny ran’i Jesosy no fitaovana nanatanterahany izany, ary ny ran’i Jesosy ihany koa no manamarina fa efa notsaraina ny ota.

— Ny hoe finoana dia ny tanan’ny olona mandray io fanomezana maimaimpoana sy mahatalanjona io.