Alatsinainy 19 Septambra 2022
Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ? Lioka 24:32
Voatarika ianao hihevitra, noho ny fihetsiky ny manodidina anao, fa tsy misy olona tia anao na mahatakatra ny mahazo anao ; nefa mety tsy hahatatakatra izay manjo anao koa ny taranaka teo alohanao, sahiran-tsaina manoloana ny zavatra tsapanao.
Jesosy dia irak’Andriamanitra tonga mba haneho fa tia antsika Izy sady mahatakatra ny mahazo antsika. Nasehony izany, fony Izy nandeha nitety tanàna mba hanao soa ho an’ny olona rehetra, na ny manankarena, na ny mahantra, na ny marary, na ny zaza, na ny tanora…
Indray andro Izy dia nanatona lehilahy roa teny an-dalana. Izy ireo koa dia very hevitra sy diso fanantenana. Nanontany azy ireo Jesosy hoe : „Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao ? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy” (Lioka 24:17). Niara-dia tamin’izy ireo Izy, ary nihaino tsara ny anton’ny alahelony ; avy eo Izy dia niresaka tamin’izy roa lahy, ka ireo teny ao amin’ny Baiboly no namaliany izay nanahiran-tsaina azy ireo, mandra-pisinda ny alahelony. Rehefa nifarana ny resaka, dia „nangorakoraka” fitiavana Azy ny fon’izy ireo.
Mbola velona Jesosy mandraka ankehitriny, ary te hanatona antsika tsirairay. Tiany raha hazavaintsika aminy ireo zava-manahirana antsika, hadisoam-panantenana, zavatra tsy takatra. Mihaino Izy, ary raha mamaky ny Baiboly sy mino izay voasoratra ao isika, dia mamaly Izy. Ndao hohamarinina ny maha mbola ara-toetrandro ny Baiboly, mihatra amin’ny fotoana rehetra sy ny toejavatra rehetra. Hazavainy ny antony mampisy tsy fahazoana aina eo amin’ny taranaka mifandimby, ary amin’ny ankapobeny, ny manapoizina izay rehetra fifandraisantsika, dia ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra, ny ota. Nanomboka tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany, dia nijaly ny zanak’olombelona noho ny ota. Raha manaiky eo anatrehan’i Jesosy aho fa voamarik’io tsy fankatoavana io ny fiainako, dia ho voatarika hanana fitiavana miredareda ho Azy, ho an’ny ray aman-dreniko… ary ho an’ny fahavaloko ihany koa aza, araka ny lazain’i Jesosy !