Alahady 18 Septambra 2022

Tsarovy Jesosy Kristy, Izay natsangana tamin’ny maty. 2 Timoty 2:8

 

Iza moa Jesosy aminao ?

Fijoroana tanora kristiana ho vavolombelona

„Jesosy no Mpamonjiko. Raha tsy maty teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia tsy afaka ny ho voavela heloka isika. Fantatro koa fa voaaro aho, satria nandray an’i Jesosy ato am-poko.” Kiersten

„Jesosy ! Ho azoko lazaina hoe Izy no Mpanjakan’ny mpanjaka, Ilay Mesia, Lehilahy lavorary. Marina avokoa izany, saingy tsy izay no zavatra voalohany tonga ato an-tsaiko, rehefa mieritreritra an’i Jesosy aho. Amiko, Jesosy dia Andriamanitra, tonga tetỳ an-tany Izy, ary maty mba ho voavela ireo fahotako.” Tyler

„Iza moa Jesosy amiko ? Mampitomany ahy mandrakariva izany fanontaniana izany, isaky ny saintsainiko. Jesosy irery no afaka mijery ahy am-pitiavana, rehefa mihoso-potaka aho. Vonona Izy hitantana ahy, na dia manome lamosina Azy aza aho. Jesosy dia tsy haiko lazalazaina, satria tsy misy olona azoko oharina aminy. Mikarakara ahy Izy rehefa kivy aho, na voahosihosy, na manirery, na voatorotoro. Rehefa mijoro eo anoloany aho, dia hita avokoa ireo faritra maloka rehetra ato amiko. Tsy mandao ahy na oviana na oviana Izy. Mihoatra lavitra noho ny namana Izy, Mpamonjiko Izy. Tsy takatry ny saiko ny fitiavany, izay tena tsara sy lavorary.” Paul

„Zava-dehibe amiko Jesosy. Voalohany, Izy dia Ilay Zanak’Andriamanitra sady olona tsy misy hokianina ary madio. Fohy ny fotoana nampianarany tetỳ an-tany, nefa nisy akony goavana. Ny tadiaviny amintsika dia fo misokatra handray ny teniny, fo mitady Azy ao amin’izay rehetra ataontsika.” Britanny