Asabotsy 17 Septambra 2022
Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ireny izaho no lohany. 1 Timoty 1:15
„Fony zatovo aho dia nanomboka nanontany tena momba ny dikan’ny fiainana. Ny mpampianatra filôzôfia anay dia „taoista” nanaraby an’Andriamanitra sy ny Baiboly. (Ny „taoisma” dia foto-pampianarana sinoa naorin’i Lao-Tseu.) Nahafantatra tsara kokoa ny Baiboly izy noho izaho, ka naharesy ahy mora foana. Ho setrin’izany dia naniry mafy aho hamaky ireo filazantsara, ka nitombo ny hagagako nahita ny fomba fandravan’i Jesosy ireo fanontaniana fandrika apetraky ny Fariseo. Voamariko fa ny fahamarinana ambarany dia noporofoiny koa tamina asa, fa ireo nanohitra Azy kosa, tsy mba nahavita izany. Tia ny olona Izy, nanasitrana azy ireny, nanao fahagagana isan-karazany, izay nanamarina ny teniny.
Tatỳ aoriana aho dia nifanena tamina kristiana maromaro, anisan’izany ny pasitera iray, nanontany ahy matetika hoe : „Efa voavonjy ve ianao, ry Yvan ?” Nanontany tena aho hoe : „Voavonjy amin’inona ?” Nasehon’ireo kristiana ireo ahy ny faminaniana maro manambara mialoha ny hahatongavan’i Jesosy, ka nony farany dia niteny tamiko izany. Maro aoka izany, ao amin’ny Baiboly, ny faminaniana tanteraka ara-bakiteny ! Nefa sarotra tamiko ny nahatakatra hoe nahoana moa Jesosy no maty teo amin’ny hazofijaliana, sy hoe nahoana no ilaina izany famonjena izany. Nony 18 taona aho dia nahatsapa ny tenako ho mpanota, ka noho izany, mila famonjena. Tsaroako ny hafaliako rehefa niditra tao an’efitranoko ny hazavana, rehefa takatro fa nisolo toerana ahy Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana, mba hanefa ny trosan’ny otako tamin’Andriamanitra, rehefa takatro koa fa satria aho mino ny sorona nataony, dia voavela heloka sy voavonjy tsy hiharan’ny fanamelohana sahaza ahy.”
Yvan (namboarina avy tamin’ny croixsens. net)